11/11/2026
📍Tanterahina eto amin'ny CISCO Mahajana I ny Alatsinainy 09 Novambra 2026 izay haharitra 5 andro ny fampiofanana momba ny "Fanavaozana sy Fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo Mpampiofana isam-paritra (Formateurs régionaux) miisa 40 eo amin'ny sehatry ny" Fianarana Fototra" ( Premiers apprentissages).
📍Fiofanana izay nosokafan'ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena BOENY .
Ny Taranja Matematika sy Malagasy ho an'ny kilasy T1, T2, T3 no iompanan'ity fampiofanana ity .
Fiofanana vatsian'ny TALIM
♦️Tanjona amin'ity hetsika ity ny hampiroboroboana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo Mpampiofana ato anatin'ny DREN BOENY mba hahafahan'izy ireo mandrindra sy manatsara ny fampiofanana ireo mpampianatra eny ifotony.
Communication DREN BOENY / Novambra 2026