DRAP Fitovinagny -Administration Pénitentiaire

Directions

DRAP Fitovinagny -Administration Pénitentiaire Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DRAP Fitovinagny -Administration Pénitentiaire, Public & Government Service, Ankofafa, Manakara.

HAZAKAZAKA FIOMBONANA/CROSS DE COHÉSION 🇲🇬 Ny zoma 25 septambra 2026, no niainga teo anoloan'ny gare FCE Manakara ny haz...
26/09/2026

HAZAKAZAKA FIOMBONANA/CROSS DE COHÉSION
🇲🇬 Ny zoma 25 septambra 2026, no niainga teo anoloan'ny gare FCE Manakara ny hazakazaka fiombonana, tafiditra anatin'ny fankalazana ny faha 65 taona nijoroan'ny polisimpirenena malagasy, nandraisan'ireo hery mitandro ny filaminana misy eto amin'ny faritra fitovinagny. Nandray anjara tamin'izany ny Fandraharahana ny Fonja Fitovinagny.

🇲🇫ce vendredi 25 septembre 2026, un cross de cohesion a été organisé par la police nationale Fitovinagny, à l'occasion du 65ème anniversaire de la police nationale malagasy. Les éléments de la Direction Régionale de l'Administration Pénitentiaire de Fitovinagny y ont participé.

TOBIM-PAMOKARANA CROISEMENT LOKOMBY/ CAMP PÉNAL CROISEMENT LOKOMBY. 🇲🇬21 septambra 2026, niroso tamin'ny fangadiana kaza...
22/09/2026

TOBIM-PAMOKARANA CROISEMENT LOKOMBY/ CAMP PÉNAL CROISEMENT LOKOMBY.

🇲🇬21 septambra 2026, niroso tamin'ny fangadiana kazaha na fiotazana ny ampahany amin'ny mangahazo vokatra eny amin'ny tobim-pamokarana eny croisement Lokomby ny lehiben'ny tobim-pamokarana, miaraka tamin'ireo voafonja izay miasa eny an-toerana.
500 fototra no nohadiana (nangadina), ka nahazoana mangahazo lena 1665 kg. Ny 1400 kg amin'io dia atao sakafon'ireo voafonja ao amin'ny fonjaben'ny Manakara, ny 265 kg kosa atao sakafon'ireo voafonja eny amin'ny tobim-pamokarana.

🇲🇫Ce 21 septembre 2026, le chef de Camp pénal du croisement Lokomby et son adjoint, avec les personnes détenues qui y travaillent, ont procédé à la récolte du manioc. Au total, 500 pieds de manioc ont été arrachés. Ce qui a permis d'obtenir 1665 kg de manioc frais dont 1400 kg ont été affectés à la consommation des personnes détenues de la Maison Centrale de Manakara et 265 kg, à la consommation des personnes détenues au camp pénal.

FIAHIANA NY MPONiNA🇲🇬Androany 10 septembra 2026,  tonga nitsidika ny fonjan'ny Manakara, Ramatoa Talem-paritry ny mponin...
10/09/2026

FIAHIANA NY MPONiNA

🇲🇬Androany 10 septembra 2026, tonga nitsidika ny fonjan'ny Manakara, Ramatoa Talem-paritry ny mponina sy firaisankina Fitovinagny sy ireo mpiaramiasa aminy, nitondra fankaherezana ireo voafonja sy izay tsirambin'ny tanana toy ny vary sy tsaramaso, menaka sakafo, siramamy ary savony ho an'ireo voafonja tsy ampy taona sy ireo voafonja vehivavy sasatsatsany. Bodofotsy kosa ho an'ireo voafonja lehilahy sy vehivavy izay nahazoazo taona.

Mankasitraka an- zareo ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy Firaisankina Fitovinagny.

🇲🇫Ce jeudi 10 septembre 2026, Mme la Directrice régionale de la Population et de la solidarité Fitovinagny et ses proches collaborateurs se sont rendus à l'établissement pénitentiaire de Manakara pour encourager les personnes détenues et faire don de paniers contenant chacun, du riz, des haricots, du sucre, de l'huile végétale et du savon au profit des personnes détenues (mineurs et quelques femmes), ainsi que des couvertures destinées à quelques personnes détenues plus âgées ( hommes et femmes).

Vifs remerciements de la part de l'Administration Pénitentiaire Fitovinagny.

FINAL Football senior ASIEF 2026🇲🇬Androany 5 septambra 2026 tamin'ny 2 ora tolakandro, no natao tao amin'ny stade munici...
05/09/2026

FINAL Football senior ASIEF 2026
🇲🇬Androany 5 septambra 2026 tamin'ny 2 ora tolakandro, no natao tao amin'ny stade municipal Manakara, ny match football senior final ASIEF, nifanandrinan'ny ekipa Pénitentiaire avy any MENABE sy ny ekipa Miaramila. Nandresy taorian'ny seance de tirs au but ny ekipa senior Pénitentiaire MENABE. Arabaina ianarao ao Menabe.

🇫🇷Ce 5 septembre 2026 vers 14 heures, le match final de football senior ASIEF 2026 opposant l'équipe pénitentiaire de football de la DRAP Menabe à l'equipe de football du Ministère des forces armées, s'est tenu au stade municipal Manakara. L'équipe pénitentiaire de football de la DRAP Menabe a remporté la victoire après une séance de tirs au but. Félicitations à l'équipe de la DRAP Menabe.

Lanonana fametrahana galona/ cérémonie de remise de galon. 🇲🇬 alatsinainy 31 Aogositra 2026 : notontosaina teto amin'ny ...
02/09/2026

Lanonana fametrahana galona/ cérémonie de remise de galon. 🇲🇬 alatsinainy 31 Aogositra 2026 : notontosaina teto amin'ny toerana malalaka eto amin'ny fonjaben'ny Manakara, ny lanonana fametrahana galona ireo mpandraharahan'ny fonja 5 mianadahy. Mirary soa anareo mba hitsondrotra amin'ny avo indrindra.

🇫🇷Lundi 31 août 2026, une cérémonie de remise de galon aux 5 agents pénitentiaires s'est tenue au terrain de rapport de la MC de Manakara. Félicitations aux 5 récipiendaires.

🇲🇬20 aogositra 2026, tamin'ny fitsenana ny Mpanolotsaina avo ny Fanavaozana, tafaraka tany Ikongo ny mpirahalahy mianala...
22/08/2026

🇲🇬20 aogositra 2026, tamin'ny fitsenana ny Mpanolotsaina avo ny Fanavaozana, tafaraka tany Ikongo ny mpirahalahy mianala : Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Fitovinagny, Commandant ZDS Matitanana, Commandant du groupement Fitovinagny, Commandant Compagnie GN, Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Fitovinagny, lehiben'ny fonja...

🇲🇫20 août 2026, à l'occasion de la visite du Haut Conseiller, les frères d'arme réunis à Ikongo : Directeur régional de la sécurité Fitovinagny, Commandant ZDS Matitanana, Commandant du groupement Fitovinagny, Commandant Compagnie GN, Directeur régional de l'Administration Pénitentiaire Fitovinagny, le Chef d'établissement Pénitentiaire...

🇲🇬Fonja vaovao ao Ikongo, raha jerena lavitra avy aty anaty tanan'Ikongo. Marihina fa mbola tsy nafindra ao akory ny voa...
18/08/2026

🇲🇬Fonja vaovao ao Ikongo, raha jerena lavitra avy aty anaty tanan'Ikongo. Marihina fa mbola tsy nafindra ao akory ny voafonja ao Ikongo.

🇲🇫La nouvelle Maison Centrale d'Ikongo, récemment construite, vue de loin (dans le centre ville). Il faut noter que jusqu'à présent (mois d'août ), elle ne reçoit pas encore de personnes détenues.

🇲🇬 Androany 13 aogositra 2026, no natao tao amin'ny "le pavé" Antaninarenina Antananarivo, ny atrikasa famaranana ny fan...
13/08/2026

🇲🇬 Androany 13 aogositra 2026, no natao tao amin'ny "le pavé" Antaninarenina Antananarivo, ny atrikasa famaranana ny fandaharan'asa "Fanarenana" an'ny Minisiteran'ny Fitsarana, tohanan'ny Agence Française de Développement (AFD) ara-bola. Fandaharan'asa nandritra ny 5 taona (2021-2026). Nisitraka izany ny Fonjan'ny Manakara, ao anatin'ny Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Fitovinagny, nahafahana
* nanokatra indray ny tobim-pamokarana (camp pénal) ao croisement Lokomby kaominina tataho sy ny ao Tanjongato Marofarihy,
*nanome tohana ara-tsakafo ireo voafonja, sy fanampiana amin'ny fanomanana ireo voafonja ireo amin'ny fiverenana eo anivon'ny fiarahamonina, raha vita ny saziny,
*nanamboatra ireo fotodrafitrasan'ny fonja izay simba.
Notoloran'ny AFD mari-pakasitrahana ny fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Fitovinagny vokatry ny fiaraha-miasa mirindra nandritra izay vanim-potoana izay.

🇲🇫Ce 13 Août 2026, l'atelier national de clôture du programme "Fanarenana" du Ministère de la Justice Malagasy, financé par l'Agence Française de Développement, s'est tenu à "le pavé" Antaninarenina Antananarivo. Ce programme a duré 5 années (de 2021 à 2026).La Maison Centrale de Manakara, circonscription de la Direction Régionale de l'Administration Pénitentiaire de Fitovinagny, a bénéficié de ce programme ayant permis de :
*développer des activités agricoles dans les camps pénaux du croisement Lokomby CR Tataho et de Tanjongato Marofarihy, rattachés à la MC Manakara,
*d'apporter des appuis (nutritionnels et à la préparation à la réinsertion sociale des personnes détenues),
*de réhabiliter certaines infrastructures pénitentiaires.
Une lettre de remerciement a été adressée par l'AFD à la Direction Régionale de l'Administration Pénitentiaire de Fitovinagny.

Mankasitraka
05/08/2026

Mankasitraka

05/08/2026

Address

Ankofafa
Manakara

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRAP Fitovinagny -Administration Pénitentiaire posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share