Direction Régionale de la Population et des Solidarités Boeny

Directions

Direction Régionale de la Population et des Solidarités Boeny Fitaleavam-Paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Boeny

3 Oktobra 2026DRPS BOENY - SDPS MAHAJANGA I🟢 Fankalazana ny faha 15 taona ny Fikambanam-behivavy tra-pahasembanana eto M...
03/10/2026

3 Oktobra 2026
DRPS BOENY - SDPS MAHAJANGA I

🟢 Fankalazana ny faha 15 taona ny Fikambanam-behivavy tra-pahasembanana eto Mahajanga (AFHAM)

🔵 ‎Tontosa anio ny fanomezana fitaovana an' ireo mpikambana mihisa 22 izay nanaraka ny fiofanana toy fanamboarana savony, patisserie, onglerie ary ny vanerie.

👉 ‎Tanjona ny fampahaleovan-tena amin' ny asa ho an' ireo vehivavy manana fahasembanana.

🟡 ‎Tonga nanotrona sy nanolotra izany ny Talem-Paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Boeny miaraka tamin' ny Ekipany ka fisaorana sy fankasitrahana no natolotry ny AFHAM.

Rohy ny lanonana fankalazana ny faha 15 taona ny AFHAM : https://www.facebook.com/share/p/19UfR1T5nx/

Floret Berodo RA
Afham Association des Femmes Handicapées de Madagascar
📸 Liantsoa Denis Randrianahasina 📷

15/09/2026
VOIN-KAVA MAHATRATRA🗓️12 Septembre 2026, Fokontany Namakia, ▪️Commune Matsakabanja▪️ District Mitsinjo      🚨Nidina teny...
15/09/2026

VOIN-KAVA MAHATRATRA

🗓️12 Septembre 2026, Fokontany Namakia, ▪️Commune Matsakabanja▪️ District Mitsinjo

🚨Nidina teny an-toerana izay nitrangan' ny loza vokatry ny hai-trano ny delegasiona izay notarihan'i Atoa Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisakina BOENY rehefa nahare ity tranga ity izay niseho ny faha 11 septambra 2026.

☘️Arak'izany dia nitondra izay voatsirambin'ny tanana izy ireo toy ny kojakoja ilaina andakozia sy savony, vary ary voamaina ho vonjy rano vaky manoloana izao fahavoazana izao.
Ary nitondra teny fankaherezana ihany koa sy naneho Firaisakina ho porofo fa tsy irery zareo fa manana mpitondra miahy sy akaiky vahoaka.

📌Nisy ny fitsidihana ny Renim-pianakaviana izay may nandritrany loza ary voatazona ao amin'ny Hôpital complant Namakia ka nanolotra vola ho solondranom-boakazo ho azy ny delegasiona.


🗓️11/09/26    FANKALAZANA NY FAHA 15 TAONA NY AFHAM (Association des Femmes Handicapées Mahajanga)           🎀Nankalaza ...
13/09/2026

🗓️11/09/26
FANKALAZANA NY FAHA 15 TAONA NY AFHAM (Association des Femmes Handicapées Mahajanga)

🎀Nankalaza ny faha 15 taona nijoroany ny AFHAM ny zoma faha 11 septambra 2026 ka nanatanteraka lanonana ho fanamarihana izany teto amin'ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Boeny, Mangarivotra.

🎯 Izany lanonana izany dia nanasana olona maro, ny manampahefana sy ireo vahiny manan-kaja ka tonga nanatrika teto :
-A/toa Adjoint Préfet ny Mahajanga
-R/toa 1ère Vice PDS CUM
-Ireo avy amin'ny Fitaleavam-paritra rahavavy maro
-Ireo ONG isan-tsokajiny
-Ny fikambanana maro samihafa, teo koa ny KB8M

🎯 Nisy ny fampirantiana ireo asa vita sy fizarana Kits maromaro hoan'ireo vehivavy AFHAM izay nahavita fiofanana mahakasika ny :
-Fanaovana m**o mamy (pâtisserie)
-Rary akora plastika (vannerie)
-Fanamboarana savony (savonnerie)
-Fanaovana hoho (onglerie)

🏆Teo ihany koa ny fanehoana ny amboara izay vokatry ny asa fifaninanana nasionaly izay nandraisan'izy ireo anjara ka ny dihy izay nandrombahana amboara no naseho teto nandritrany lanonana.

☘️Nifaranana tamin'ny fanapahana m**o mamy sy cocktail izany. Ny fizaham-pasalamana maimaimpoana izay atolotr'izy ireo mandritra ny hetsika fankalazana dia nitohy hatramin'ny faha 12 septembre 2026. Izany dia ahitana :
-fijerana tosi-drà
-fitiliana diabète
-fitiliana ny vozon'ny tranon-jaza

📌 Atoa Tale ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Boeny dia nanamafy nandritrany kabary nifandimbiasana ny fanohanana izay ataony tamin'ny alalan'ireo ezaka efa vita ary ireo izay mbola kasaina.


🗓️ 02/09/26, Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, MangarivotraFIZARANA FITAOVAM-PIANARANA HOAN'IREO ANKIZY...
02/09/2026

🗓️ 02/09/26, Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, Mangarivotra

FIZARANA FITAOVAM-PIANARANA HOAN'IREO ANKIZY MANANA TOE-TENA VARIRA

📚 Mitohy hatrany ny fanaovana ASA SOSIALY izay ataon'ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Boeny ka ny androany dia nisy ny fizarana fitaovam-pianarana hoan'ireo ankizy manana toe-tena varira eto Mahajanga. Izany dia nahitana fitaovana maromaro toy ny kahie sy kitapo.

📌Ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Boeny sy MADA AIDES, fizarana fitaovam-pianarana hoan'ny taom-pianarana 2026-2027.


Alefa MPS 💪😊
25/08/2026

Alefa MPS 💪😊

Address

Quelque_part
Manakara

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Direction Régionale de la Population et des Solidarités Boeny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share