DRSP SAVA

Directions

DRSP SAVA Pages officielle du Direction régional de la Santé Publique de la région SAVA

🗓️Zoma 13 novambra 2026😍😍😍Ny Fitaleavam-paritry Fahasalamam-bahoaka Faritra SAVA hanandratana ny maha Malagasy 🇲🇬🇲🇬🇲🇬 🇲🇬...
13/11/2026

🗓️Zoma 13 novambra 2026

😍😍😍Ny Fitaleavam-paritry Fahasalamam-bahoaka Faritra SAVA hanandratana ny maha Malagasy 🇲🇬🇲🇬🇲🇬

🇲🇬🇲🇬

𝐂𝐇𝐑𝐑 𝐁𝐄𝐒𝐎𝐏𝐀𝐊𝐀: 𝐌𝐀𝐍𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐑𝐈-𝐕𝐀𝐓𝐎 𝐌𝐈𝐃𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐎𝐏𝐈𝐓𝐀𝐋𝐘-𝐁𝐄.🗓️𝐙𝐨𝐦𝐚 13 𝐍𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 2026.--...
13/11/2026

𝐂𝐇𝐑𝐑 𝐁𝐄𝐒𝐎𝐏𝐀𝐊𝐀: 𝐌𝐀𝐍𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐑𝐈-𝐕𝐀𝐓𝐎 𝐌𝐈𝐃𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐇𝐎𝐏𝐈𝐓𝐀𝐋𝐘-𝐁𝐄.

🗓️𝐙𝐨𝐦𝐚 13 𝐍𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 2026.

---------------🛣️Tafapetraka ny vato fototra ho mariky ny fanombohan’ny asa fanamboarana lalana rari-vato (pavé autobloquant) mirefy 370 metatra, mampitohy ny sampanan-dalana mankany amin’ny Hopitaly Be Besopaka Sambava sy ny sampana vonjy taitra.

🎯Ny tanjona dia mikendry ny hanatsara ny fotodrafitrasa sy hanamora ny fivezivezen’ny marary, ny mponina, fahalalahan'ny mpanjifa ny lalana miditra ato amin’ny toeram-pitsaboana.

Nandritra ny lahateny nifandimby fa
fitondrana mitsinjo, manakaiky ary mamaly ny filàn’ny vahoaka ny fitondram-panjakana FANAVAOZANA izay tarihin’ny 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚ë𝐥, ary naneho fahavonona ny hiara-hientana hifandray tendro amin’ny fampandroana ny Faritra SAVA tahaka izao fotodrafitrasa atao amin'ny hopitlibe izao ny fitondram-panjakana ety antoerana.

🎉Tonga nanome voninahitra izao lanonana fametrahana ny vato fototra.

🎙️ny Lehiben’ny Faritra SAVA, Atoa Dr 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 𝐁𝐫𝐚𝐬𝐬𝐢𝐥𝐢𝐯𝐞 𝐃𝐚𝐯𝐢𝐝,
🎙️Ny Lehiben'ny Sampan-draharaha eto amin'ny Prefektioran'i Sambava Atao 𝐑𝐀𝐁𝐄𝐌𝐀𝐌𝐎𝐑𝐘 𝐀𝐝è𝐥 𝐁𝐢𝐞𝐧𝐡𝐞𝐮𝐫𝐞𝐮𝐱.,
🎙️Ny maire kaominina Ambonivohitra Sambava Atao 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀 𝐉𝐮𝐝𝐢𝐜𝐚ë𝐥,
🎙️Ny Chef d'Etablissement CHRR Besopaka Sambava Dr RANDRIAMALALA Sabrien Bledinot.

🟢Etsy an-kilany, nanamafy ny maha-zava-dehibe ity tetikasa ity amin’ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary ny Chef SMS 𝐃𝐫 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐈𝐌𝐁𝐈𝐑𝐀𝐈𝐍𝐘 𝐅𝐫𝐚𝐧𝐜𝐢𝐬𝐜𝐚, izay nisolo tena ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka SAVA.

🔴 Nandritra izany no nanehoany ny fisaorana ny fitondram-panjakana noho ny fitsinjovana ny sehatry ny fahasalamana sy ny ezaka amin’ny fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka.

⚪Nanararaotra izany koa izy nanentana amin'ny fanaovam-baksiny miaro amin'ny kalemy na polio andian'ny faha telo natokana ho zanatsika izay atao tsy ho ela ety amin'ny Faritra SAVA sy ny tsy hihambahambana amin'ny fanaovana Fitilina ny VIH SIDA 🎗️

🙏🙏🙏Naneho ny fisaorana ny Lehiben’ny Faritra, ny Lehiben'ny Prefektiora, ny maire kaominina Ambonivohitra Sambava, ihany koa izy noho ny fiaraha-miasa, ary nanamafy fa hitondra tombontsoa lehibe ho an’ny mponina ny fahavitan’ity lalana ity, indrindra amin’ny fanamorana ny fahafahana manatona toeram-pitsaboana.

👏👏👏Marihina fa fanamby napetraky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara nandritra ny fitsidihany taty Sambava ny fanamboarana ity lalana ity. Tanterahina ankehitriny izany ho fanatsarana ny fidirana ao amin’ny Hopitaly-Be Besopaka sy ho tombontsoan’ny mponina.

💯Miasa miaraka ho an'ny Fanovana Manasitrana Firenena





🌍 SAMBAVA:JOURNÉE MONDIALE SANS PLASTIQUE🌍🗓️Ny 03 Jolay no andro maneran-tany tsy ampiasana plastika natao teto Sambava ...
08/11/2026

🌍 SAMBAVA:JOURNÉE MONDIALE SANS PLASTIQUE🌍

🗓️Ny 03 Jolay no andro maneran-tany tsy ampiasana plastika natao teto Sambava .

🔖Hetsika fanentanana nimbanjina amin'ny fampihenana ny fampiasana plastika ary mba ahaizantsika hitantana izany mba tsy hiteraka fandotoana ny tontolo iainana.

👏👏👏🧑‍⚕️Tonga nitondra anjara biriky izahay tato amin'ny Fitaleavam-paritra Fahasamam-bahoaka Faritra SAVA

🎗️Nandritra izany dia nanararaotra nizara fimailo ho an'ireo tonga izay Tonga, nifandrombaka araka izany ireo Tanora zandrintsika mba hahafan'izy ireny miaro tena amin'izao valan'aretina VIH/SIDA

🟢Ny lohahevitra tamin'ity taona ity dia:
« Breaking Free from Single-Use Plastics: Towards a Sustainable Future »izany hoe
« Miala amin'ny fampiasana plastika fanary, ho amin'ny hoavy maharitra sy lovain-jafy. »

⚪🔴Fandraisana andraikitry ny tsirairay sy ny fiarahamonina no antoky ny fanadiovana ny tontolo manodidina.

🇲🇬🇲🇬FANANDRATANA NY FITAFY MALAGASY, FITALEAVAM-PARITRA FAHASAMAM-BAHOAKA SAVA 🇲🇬🇲🇬🗓️Zoma 06 Novembre 2026🎉 Toy ny fanan...
06/11/2026

🇲🇬🇲🇬FANANDRATANA NY FITAFY MALAGASY, FITALEAVAM-PARITRA FAHASAMAM-BAHOAKA SAVA 🇲🇬🇲🇬

🗓️Zoma 06 Novembre 2026

🎉 Toy ny fananao isaky ny zoma, ny Mpiasan'ny Fahasalamana aty amin'ny Faritra SAVA izay tarihin-Andriamatoa Talem-paritra Fahasamam-bahoaka Dr RAKOTOARIVELO Robert Michaël dia mampisongadina hatrany ny kolontsaina Malagasy eny amin'ny toeram-piasana amin'ny alalan'ny fanaovana fitafiana maha Malagasy.

💯Miasa miaraka ho an'ny fanovana, Manasitrana ny Firenena

06/11/2026
🚨FANENTANANA MOMBAN'NY ADY AMIN'NY VALAN'ARETINA LEFAKOZATRA TETO SAMBAVA🚨🎯Vita ny 31oktobra 2026 tolakandro nandritra n...
01/11/2026

🚨FANENTANANA MOMBAN'NY ADY AMIN'NY VALAN'ARETINA LEFAKOZATRA TETO SAMBAVA🚨

🎯Vita ny 31oktobra 2026 tolakandro nandritra ny "assemblée générale des parents d'élèves" teto amin'ny sekoly katolika SAINT THÉRÈSE Sambava Centre ny fanentanana momba ny ady amin'ny aretina lefakozatra.

Tao anatin'izany dia nisy ny: ✅Fampahafantarana momba ny aretina poliomielita

✅Fanamafisana ny fisorohana: fanaovana vaksiny sy ady amin'ny tay miparitaka ( fampiasana kabone sy fanasana tanana).

✅Fampahafantarana ny fisian'ny vakisiny faobe ny 24; 25; 26; 27 Novambra ho avy io.

🤝🤝🤝Tanteraka izany nohon'ny fiara miasa miaraka tamin'ny Medecin Inspecteur Sambava , ny ekipa avy ao amin'ny CSBU Sambava ary ireo Mpiara Miombon'antoka OMS sy UNICEF, indrindra tamin'ireo Sekoly Saint Thérèse sy ireo Ray Aman-dreny.





🎗️FINTINA AN-TSARA NANDRITRA NY FANKALAZANA OKTOBRA ROSE 2026, DISTRIKA ANDAPA🎗️💯nontanterahina ny zoma 30 oktobra 2026 ...
01/11/2026

🎗️FINTINA AN-TSARA NANDRITRA NY FANKALAZANA OKTOBRA ROSE 2026, DISTRIKA ANDAPA🎗️

💯nontanterahina ny zoma 30 oktobra 2026 tao amin'ny Toby Gendarmerie teto Andapa ny fankalazana ny octobre Rose taona 2026.

🎯Nisy fanentana mahakasika ny homamiadana ny nono, homamiadana ny vozon'ny tranon-jaza, ny VIH/SIDA.

🚨Nifaranana tamin'ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana toa ny;
✅Fijerena tosi - dra,
✅Fitilina VIH
✅Fitilina diabète

Mankasitraka amin'ny fiara miasa nataon'ireo:
✅Vadiny Gendarmes
✅Gendarmes
✅Mpiasan'ny Fahasalamana




30/10/2026
30/10/2026

💉 Araho ny tetiandrom-baksiny, arovy ny zanakao! ❤️
Ny vaksiny ara-potoana no antokin' ny fiarovana azy amin’ny aretina maro.

Address

Enceinte DRSP Sambava Centre
Sambava
208

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRSP SAVA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share