Bibliothèque Municipale Toamasina

Call Directions

Bibliothèque Municipale Toamasina Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Bibliothèque Municipale Toamasina, Library, bm. sgcut@gmail. com, Toamasina.

BD-CUT:
🙏 Besoin d'aide pour la réhabilitation
👉 Service offert Gratuit
📚 Bibliothèque Municipale de Toamasina
📖 Boky ho an’ny étudiants, enseignants, mpiasa ary ny rehetra
🎓 Fianarana – fikarohana – fialam-boly
🕘 Lundi – Vendredi | Entrée libre

17/09/2026
Bonnes chances !!!
17/09/2026

Bonnes chances !!!

  .
16/09/2026


.

21/07/2026

Ny Commune Urbaine Toamasina izay tarihin'ny Ben'ny tanana Alain Andriafanomezantsoa dia mirarisoa sy fahombiazana hatrany hoan'ireo mpianatra izay hiatrika ny fanadinam-panjakana Baccalauréat amin'ny Alatsinainy ho avy izao.

"𝗧𝗮𝗺𝗮𝘁𝗮𝘃𝗲 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗴𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗶𝗮".

19/07/2026

🎓📚 FIRARIANTSOA HO AN’IREO MPANALA FANADINANA BACCALAURÉAT 📚🎓

Ny Bibliothèque Municipale Toamasina dia mirary fahombiazana feno ho anareo mpianatra rehetra miatrika ny fanadinana BACCALAURÉAT, na amin’ny Enseignement Général na amin’ny Enseignement Technique. ✍️📖

Matokia ny fahalalana sy ny ezaka nataonareo nandritra ny taona. Aza manaiky ho resin’ny tahotra, fa vakio tsara ny fanontaniana, alamino ny valiny ary tantano am-pahendrena ny fotoana. Ny fahatoniana, ny fahavononana ary ny fahatokisan-tena no fanalahidin’ny fahombiazana. 💪🧠⏱️

Tsarovy fa ny BACCALAURÉAT dia dingana iray lehibe manokatra varavarana ho amin’ny fianarana ambony, ny fiofanana ary ny hoavy matihanina. Koa omeo ny tsara indrindra vitanareo! 🌟🚀

Mirary fahasalamana, herim-po, fahatoniana ary fahombiazana ho anareo rehetra! 🙏🍀
Enga anie ka ho valin’ny ezaka nataonareo ny vokatra tsara sy mendrika. 🎉🏆






📚✨

06/07/2026

📚 Bibliothèque Municipale

🌟 Mirary fahombiazana ho an'ny ankizy sy ny tanora rehetra manala fanadinam-panjakana BEPC sy BEP manerana an'i Madagasikara! 🇲🇬

Matokia ny tenanao, miezaha hatramin'ny farany, ary asehoy ny vokatry ny ezaka nataonao nandritra ny taona. 💪📖

✨ Enga anie ho tony saina, ho salama tsara, ary hahazo fahendrena sy hery ianareo mandritra ny fanadinana. 🙏📝

🍀 Mirary fahombiazana sy vokatra tsara ho anareo rehetra! 🎉📚🇲🇬




09/04/2026






27/02/2026
🌪️ NANDALO NY RIVO-DOZA… FA TSY RAVA NY KOLONTSAINA! 📚✨Tsy vitan’ny hoe nandalo teto amintsika ny rivo-doza, fa nandalo ...
19/02/2026

🌪️ NANDALO NY RIVO-DOZA… FA TSY RAVA NY KOLONTSAINA! 📚✨
Tsy vitan’ny hoe nandalo teto amintsika ny rivo-doza, fa nandalo tao amin’ny fon’ny tranombokintsika ihany koa. Simba ny tafo, lena sy niparitaka ny boky… Boky izay mitahiry fahalalana, tantara ary kolontsaina ho an’ny taranaka.
Saingy na teo aza izany rehetra izany — mijoro izahay Commune.
🔹 Manadio izahay.
🔹 Mamonjy boky izahay.
🔹 Manarina izahay.
Satria fantatray fa ny tranomboky dia foiben’ny kolontsaina sy fanabeazana eto Toamasina.
🤝 Ankehitriny kosa, antso avo ho antsika rehetra:
Mpianatra,
Ray aman-dreny,
Mpampianatra,
Mpankafy vaky boky,
Orinasa sy fikambanana…
Andao hiaro sy hanarina ny tranombokintsika!
Fanomezana boky 📖, fitaovana 🪑, na fanohanana samy hafa 💙 — samy fanomezana ho an’ny kolontsaina sy ny hoavin’ny tanànantsika.
📚 Rehefa miaro ny tranomboky isika, dia miaro ny fahalalana.
Rehefa miaro ny fahalalana isika, dia miaro ny kolontsaina.
Rehefa miaro ny kolontsaina isika, dia miaro ny ho avy.
✨ Aoka tsy ho resy ny kolontsaina.
✨ Aoka tsy ho rava ny fahendrena.
✨ Aoka isika hiara-mientana!

Address

Bm. Sgcut@gmail. Com
Toamasina
501

Telephone

+261349691612

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Bibliothèque Municipale Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category