DREN Atsinanana

Website Contact the organization

DREN Atsinanana OLO MAHAY RAHA TSY VERY MANDEHA

28/10/2026
24/10/2026

✳️✳️Fampahafantarana momba ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra ENF ambaratonga fototra (Primaire) ao anatin'ny tetikasa TALIM.

UCOM MEN/ Oktobra 2026

Notanterahina ny alarobia 21 oktobra 2026, tao amin’ny Eglizy Saint-Paul Mangarivotra, ny sorona masina lehibe ho fankal...
23/10/2026

Notanterahina ny alarobia 21 oktobra 2026, tao amin’ny Eglizy Saint-Paul Mangarivotra, ny sorona masina lehibe ho fankalazana sy fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2026–2027 ho an’ny sekoly katolika eto amin’ny Diosezin’i Toamasina.

▶️Nanome voninahitra izany ny Lehiben'ny sampan-draharaha misahana ny sekoly izay misolotena ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsinanana.

UCOM MEN/ Oktobra 2026
‎

Nidina ifotony nitsidika ny ZAP Anosiarivo I ny Lehiben'ny CISCO Marolambo sy ireo mpiara-miasa aminy ny alatsinainy 19 ...
21/10/2026

Nidina ifotony nitsidika ny ZAP Anosiarivo I ny Lehiben'ny CISCO Marolambo sy ireo mpiara-miasa aminy ny alatsinainy 19 oktobra 2026.

▶️Taorian'ny fananganana ny faneva, izay niarahany tamin'ireo mpianatra sy mpampianatra tao amin'ny CEG niaraka tamin'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra sy manam-pahefana tao an-toerana, dia niroso tamin'ny fametrahana vato fototra ho fananganana ny efitrano vaovao aorin'ny FEFFI madiodio mirefy 15/5m izy ireo.

▶️Ary koa nihaona tamin'ireo mpianatra sy mpampianatra tao amin'ny EPP Befotaka, CEG Anosiarivo ka nanentana sy nandrisika azy ireo hilofo hianatra sy hanao ny asany.

▶️Notsidihany ihany koa ny tao amin'ny EPP Mahatsara, izay simban'ny rivo-baratra ny 08 oktobra 2026, ary niara-nitady vahaolana ho fanarenana ny simba tamin'ny Ben'ny tanàna tao an-toerana ny Lehiben'ny CISCO Marolambo ka tamin'izany no nanoloran'ny Ben'ny tanàna fantsika ho fandraisany anjara amin'ny fifanomezan-tanana ho amin'izany.

UCOM MEN/Oktobra 2026

Tonga eo anivon'ny CISCO Marolambo ny zoma 16 oktobra 2026 ireo mpampianatra vaovao vao nivoaka tao amin'ny ENS  izay no...
21/10/2026

Tonga eo anivon'ny CISCO Marolambo ny zoma 16 oktobra 2026 ireo mpampianatra vaovao vao nivoaka tao amin'ny ENS
izay notendren'ny fanjakana hiasa eo anivon'ny Lisea Marolambo, hanatevin-daharana ireo mpampianatra efa misy ao.

▶️Nanatrika ny fandraisana ireo mpampianatra ireo ny lehiben'ny CISCO sy ny lehiben'ny sampan-draharaha misahana ny maha-olona.

▶️Nisy avy hatrany ny firariantsoa sy fanomezana toromarika azy ireo manoloana ny fanatontosana ny asa.

▶️Naneho ny fahavononona sy nanome toky kosa ireo mpampianatra vaovao fa hanatanteraka ny iraka izay nanendrena azy ka tsy hanao ambanin-javatra ny fampitana fahalalana amin'ny zaza Malagasy anivon'ny CISCO izay nanendrena azy ireo.

UCOM MEN/ Oktobra 2026

Tonga nanatanteraka hetsika fanentanana mikasika ny zon'ny ankizy tamin'ireo mpianatra tao amin'ny EPP manara-penitra Ta...
21/10/2026

Tonga nanatanteraka hetsika fanentanana mikasika ny zon'ny ankizy tamin'ireo mpianatra tao amin'ny EPP manara-penitra Tanamborizano ao anatin'ny CISCO Mahanoro ny solontenan'ny mponina any an-toerana ny alatsinainy 19 oktobra 2026.

▶️Izany no natao dia mba hampahafantarana ny ankizy ny zony sy hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fanajana sy fiarovana izany.

▶️Nanatrika izany ihany koa ireo mpampianatra tao amin'ny sekoly.

UCOM MEN/Oktobra 2026

Natao nanomboka ny alatsinainy 19 oktobra 2026 ny fanatanterahana ny "EPIE" ho an'ireo mpampianatra miasa eny anivon’ny ...
21/10/2026

Natao nanomboka ny alatsinainy 19 oktobra 2026 ny fanatanterahana ny "EPIE" ho an'ireo mpampianatra miasa eny anivon’ny Kolejy ao anatin'ny CISCO Vatomandry ary naharitra telo andro.

▶️"Fanamafisana ny fahalalana mikasika ny fitsipi-pitondran-tena sy fitsipika mifehy ny mpampianatra ary fandalinana sy fifanakalozana momba ny fandaharam-pibeazana no lohahevitra niompanan'izany.

▶️ Ny Lehiben'ny CISCO Vatomandry no nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny CEG Vatomandry.

UCOM MEN/Oktobra 2026

Address

Toamasina
Toamasina
501

Opening Hours

Monday 07:30 - 12:30
14:30 - 17:30
Tuesday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30
Wednesday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30
Thursday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30
Friday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREN Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DREN Atsinanana:

Shortcuts

Share