09/11/2026
▶️ Tombony lehibe ho an’ny mponina eto Toamasina ny fanadiovana ireo lakan-drano satria miantoka ny fikorianan’ny rano sy misoroka ny mety ho tondra-drano. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana septambra teo ny asa fanadiovana ny Canal du Nord izay anisan’ny lakandrano lehibe miantoka ny fivarinan’ny rano eto an-tampon-tanànan’i Toamasina. Hatramin’izao dia efa mahatratra 27 km ny halavan’ny asa vita.
▶️ Efa vita ny asa tao amin’ny Arrondissement Ankirihiry sy Tanambao faha-5 ary mbola hitohy any amin’ny Firaisana Ambodimanga izany. Marihina ihany koa fa Vivre contre Travail no anatanterahana izany, izay ahafahan’ireo mponina mandray anjara mivantana amin’ny fanadiovana ny tanànany. Tanjona lehibe miaro ny tanànan’i Toamasina amin’ny mety ho tondra-drano sy ny voka-dratsin’ny rivo-doza, indrindra amin’izao fiatrehana ny fotoam-pahavaratra izao ity fanadiovana lakan-drano ity.
▶️ Ity asa ity dia iarahana amin'ny UCR Unité de Coordination pour la Reconstruction miaraka amin’ny Commune Urbaine Toamasina ,ny BNGRC sy ny DREAH Atsinanana ary ireo Lehiben’ny Fokontany voakasik'izany.
𝗧𝗮𝗺𝗮𝘁𝗮𝘃𝗲 𝘁𝗮𝗻𝗮𝗴𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗶𝗮.