04/11/2026
FIFIDIANANA FILOHAN'NY FILAN-KEVITRA MONISIPALY,
Lany ho Filohan'ny Filan-kevitra Monisipaly Atoa FERDINAND MAHARANTE na Dantou nandritra fifidianana izay notanterahina androany 4 novambra 2026 tao amin'ny Lapàn'ny Tanàna.
Vato miisa 12 azony tamin'ireo mpifidy 13 tonga. Vato iray kosa no azon'Atoa MAMANGA Jean Baptiste mpifaninana aminy.
Ny mpifidy roa ambiny amin'ny mpanolotsaina 15 dia tsy tonga nanatrika fifidianana.
Commune Urbaine de Toliara