18/07/2026
🌿♻️ ANDAO HAVAHANA NY FAKO♻️🌿 TRIAGE À LA SOURCE.
Fantatrao ve fa ny ankamaroan’ny fako vokarintsika isan’andro dia mbola azo ampiasaina indray, azo avadika ho zezika, na ahazoana angovo?
Harena faharoa ny fako, ary satria maro ny karazany dia ilaina ny fanavahana azy mialoha ny fanodinana azy ho lasa zava-baovao indray.
👉 Izany no atao hoe tri à la source.
Ny triage à la source dia ny fanasarahana ireo karazana fako samihafa vao avy ampiasaina, alohan’ny hanariana azy ireo. Tsy afangaro ao anaty dabam-pako iray intsony ny fako rehetra fa zaraina araka ny sokajiny.
Nahoana no ilaina izany?
✅ Mihena ny fako alefa eny amin’ny toerana fanariam-pako.
✅ Mihena ny loto sy ny fandotoana ny tontolo iainana.
✅ Mora kokoa ny manodina sy mampiasa indray ireo akora mbola azo averina ampiasaina.
✅ Azo avadika ho zezika na biogaz ny fako organika.
✅ Manampy amin’ny fiarovana ny fahasalamana sy ny fahadiovan’ny tanàna.
Ahoana no fanaovana azy?
🟢 Fako organika : Sisan-tsakafo, Hoditra legioma sy voankazo, Ravinkazo, Ahitra, taim-biby, sns
➡️ Azo atao zezika na ampidirina anaty biodigesteur hamokatra biogaz.
🔵 Fako azo averina ampiasaina : Tavoahangy sy plastika, Taratasy, Baoritra, Vy sy kapoaka, Vera, lamba, sns
➡️ Azo amidy na averina ahodina ho vokatra vaovao.
🔴 Fako mampidi-doza : Piles, Batterie, Fanafody lany daty, Simika isan-karazany
➡️ Mila fitantanana manokana.
🌱 Ny fako tsy voasokajy dia fako fotsiny. 🌱 Ny fako voasokajy kosa dia harena azo trandrahina. Kanefa rehefa jerena dia vitsy izany.
Ny fanavahana ny fako eny am-boalohany dia dingana tsotra nefa mahomby amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy fananganana fiarahamonina madio sy maharitra.
💚 Manomboka ao an-trano, andao hiara-hisafidy ny hanasokajy ny fakontsika dieny eny am-piandohana.
Efa maro ankehitriny ireo mpisehatra amin'ny fanodinana ny fako ankehitriny, saingy miainga avy aty amin'ny tsirairay ny fanavahana izany mba ho mora ny fitrandrahana azy.
♻️ Sokafy ny sainao, sokafy ny dabam-pako, ary saraho ny fako!
🌍 Madio ny tanàna, salama ny mponina, voaaro ny tontolo iainana.
♻️🌿