31/10/2026
‼️ Hikatona amin'ity volana Novambra ity ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana eny anivon'ny fokontany.
Amin'ny maha olom-pirenena no anentanana antsika rehetra, indrindra ny Tanora, na ho mpifidy na ho fidiana na hanohana kandida dia mila ao anaty lisi-pifidianana...
Efa hitantsika eny Rehetra eny ny Fiomanana sahady ho olom-boafidy sy ho olom-boavidy🧐
Minoa ahy ianareo tanora fa raha mahafoy indray andro hanaovanareo andrimaso ny biraom-pifidianana ianareo amin'izay fifidianana ho avy manaraka eo dia hiova tanteraka ity firenentsika ity.
❤️ Izay manoro Lana mahitsy, mamindra Aina😘