03/11/2026
AKON'NY FANANGANAN-TSAINA 03/11/2026
Nohon'ny fandaminana dia anio no notantarehana ny fananganan-tsaina sady fivoriamben'ny mpiasan'ny CUM, izay fanao isaky ny alatsinainy voalohan'ny volana. Nitarika ny fotoana ny Delegasiona Manokana 3mianadahy mianaka ary nanotrona izany ireo Mpanolontsaina notarihin'ny Filohan'ny Filankevitra Monisipaly. Nisy ihany koa ireo vahiny mpiaramiombon'antoka amin'ny CUM amin'ny fanohanana ny mpamonjy voina dia ny Amicale des Sapeurs-Pompiers d'Hochfelden, ka Atoa Philippe Dettling, Ben'ny Tanànan'ny Hochfelden no mitarika azy ireo.
Teboka maromaro no noresahana:
◾️Manoloana ny resaka miely amin'ny tsy fandraisana karama. Nitondra fanazavana ny Tale misahana ny fitantanam-bola, fa nohon'ny pitsopitsony mahakasika ny "procédures" no anton'izany, ka efa milamina izany ankehitriny ary handray ny karama izay mbola tsy azo hatramin'ny volana oktobra izy ireo.
◾️Hisy ny hetsika "IRAY VOLAN'NY HETRA" karakarain'ny CUM manomboka ny 10 novambra hatramin'ny 10 desambra 2026.
Nohamafisin'Atoa DOLSAIN Guy, PDS CUM, fa mitohy ny fandaminana ny tanàna ary izay tsy maintsy miala ny fanorenana sy fivarotana rehetra anaty lalam-bahoaka. "Olona tsotra sy azo ifampiresahana aho, fa hentitra amin'ny asa ary tsy andeferako ny fanatsarana ny tananan'ny Mahajanga. Tsy voavidim-bola aho amin'izany".
Miezaka mijery ny tamberinandraikitra ho an'ny tananàntsika ny Delegasiona Manokana ary tsy manadino mankasitraka ny ezaka hataon'ny mpiasa amin'ny fanatanterahana ny asa.