11/03/2026
FAMOLAVOLANA LAZA ADINA – CIREPS
Manomboka androany 11 Martsa 2026 ka hatramin’ny 13 Martsa 2026 no tanterahina ny famolavolana ny laza adina, na Commission Interrégionale de l’Élaboration et de la Présélection des Sujets (CIREPS), ho an’ny fanadinana BEP – Brevet d’Étude Professionnelle.
Eto amin’ny Lycée Technique Ambatondrazaka no anatanterahana ny asa, izay mahakasika ireo karazana sampam-piofanana maro samihafa.
Manatrika sy manara-maso ny fivoriana Ramatoa RAZAFINDRANDRETSA Felana Sahondra, Chargée d’études avy amin’ny Direction des Examens eo anivon’ny ministera foibe, miaraka amin’Andriamatoa RANDRIAMISAINA Andriantsiory Tseheno, Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa DRETFP Alaotra Mangoro, ary ireo tompon’andraikitra misahana ny fanadinana.
-mahay raha, tsy very mandeha
08/03/2026
FANKALAZANA NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY ZON'NY VEHIVAVY
Toy ny fanao isan-taona dia tsy diso anjara amin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny mpiasa vehivavy ato amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa Alaotra Mangoro.
Fotoana izay niarahana tamin'ireo vehivavy rehetra nanao ny diabe ary nofaranana tamin'ny fifandimbiasam-pitenenana sy matso lehibe.
"Ny vehivavy Malagasy, hery iray ho an'ny fanavaozana ny firenena"
26/02/2026
𝗧𝗲𝘁𝗶𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗼𝗳𝗶𝘀𝗶𝗮𝗹𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗻𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸à𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗧𝗲𝗸𝗻𝗶𝗸𝗮 𝘀𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮𝗸’𝗔𝘀𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻𝘆.
25/02/2026
ANDRON’NY IVON-TOERAM-PAMPIANARANA TEKNIKA SY FANOFANANA ARAK’ASA
Ankalazaina ny 25 ka hatramin’ny 27 Febroary 2026 ny Andron’ny Ivon-toeram-pampianarana teknika sy fanofanana arak’asa. Ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro, diabe namakivaky ny tanàna no nanokafana ny fankalazana, niaraka tamin’ny fampisehoana samihafa nataon’ireo mpiofana.
Notanterahina tao amin’ny LTP Ambatondrazaka ny kabary ofisialy.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny varavarana misokatra, ny fijoroana vavolombelona ary ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena mandritra ny telo andro.
“Olo mahay raha tsy very mandeha.”
23/02/2026
Manana fahaiza-manao mahakasika ny fikirakirana fitaovana ara-pambolena ve ianao kanefa tsy manana diplaoma mifanaraka amin'ny traikefa ananao. Ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana Arak'asa dia mikendry ny hanamarinana sy hanomezana fankatoavana ara-panjakana ireo fahaiza-manao azo avy amin'ny traikefa arak'asa na VAE(Validation des Acquis de l'expérience). Tongava misoratra anarana aty amin'ny biraon'ny Fitaleavana DRETFP Alaotra Mangoro raha mahafeno ireo fepetra voalaza ao amin'ny kisary eto ambany.
16/02/2026
Manatona aty amin'ny birao ny Fitaleavamparitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'Asa Alaotra Mangoro raha mila fanazavana fanampiny.
13/02/2026
Manoloana ny 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗲𝗹𝗲𝘇𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 mikasika ny fandraisana mpiasam-panjakana (𝗿𝗲𝗰𝗿𝘂𝘁𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁) eto anivon'ny 𝗠𝗘𝗧𝗙𝗣 dia tsara ny manamarika fa :
👉 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮 𝗮𝗹𝗼𝗮 𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗵𝗶𝗱𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮.
👉 𝗟𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗸𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗹𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝘁𝗼𝗮 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮.
👉 𝗘𝗳𝗮 𝗮𝗻𝗮𝘁𝘆 "𝗰𝗼𝗺𝗺𝗶𝘀𝘀𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲 𝗿𝗲𝗰𝗿𝘂𝘁𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁" 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗠𝗘𝗧𝗙𝗣 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗿𝗮𝗻𝘁𝘀𝗮-𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮𝗶𝗸𝗮 𝗺𝗶𝘀𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗿𝘆 𝗮𝘁𝗿𝗲𝗵𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗕𝗜𝗔𝗡𝗖𝗢.
👉 𝗛𝗶𝘃𝗼𝗮𝗸𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗵𝗼 𝗲𝗹𝗮 𝗻𝘆 "𝗮𝘃𝗶𝘀 𝗱𝗲 𝗿𝗲𝗰𝗿𝘂𝘁𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁".
Manentana antsika hanaraka hatrany ny pejy ofisialy ahazoana ny fampitam-baovao marina.
09/02/2026
FANOMANANA NY JOURNÉE DES ÉTABLISSEMENTS
Ho fanomanana ny fiatrehana ny journée des établissements izay hatao ny 25, 26, 27 febroary 2026 ho avy izao dia nampivory ireo chef d'établissements rehetra miankina sy tsy miankina ato amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa Alaotra Mangoro ny Talem-paritra sy ireo Lehiben'ny Sampan-draharaha anio 09 febroary 2026 .
Voarindra nandritra izao fivoriana izao ireo lamina sy programa rehetra ho tanterahina mandritra ny telo andro.
"Olo-mahay raha, tsy very mandeha"
23/01/2026
FAMBOLEN-KAZO REZIONALY ALAOTRA MANGORO
Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany 23 Janoary 2026 teto Ambohibary Fokontany Mangabe kaominina Ilafy, distrikan'i Ambatondrazaka ny taom-pambolen-kazo taona 2025-2026 ho an'ny faritra Alaotra Mangoro .
Samy tonga nanome voninahitra ity fotoana ity ireo manam-pahefana teto an-toerana sy ireo sampan-draharaha miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana.
Nandray anjara mavitrika tamin'izao fambolen-kazo izao ireo mpiasa rehetra ato amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa Alaotra Mangoro, satria "Izay mamboly hazo, manome aina".
"Olo-mahay raha, tsy very mandeha"