Feno Harison

Feno Harison

Share

Feno Harison

10/04/2026

Ry Ngahy Prezdà Kolonely Michael 🇲🇬

Voaray ny hafatrao hoe : Mila mianatra politika ny Tanora Malagasy 🇲🇬

Aza adino aloha fa izao tontolo izao efa miandry ny fiverenan'ireo astronaute hiverina avy eny amin’ny volana anio maraina … Ny Firenentsika kosa ity mbola voafatotra amin’ny politika tsy mazava sy tsy madio — kanefa samy nomen'Andriamanitra saina mitovy izao ihany ny Olombelona rehetra !

👉 Tena ilàna tsiny … fa mandiso fanantenàna, tsy maharesy lahatra ary teny tsy voahevitra ny filazàna androany !

Tsy ny Tanora Malagasy no tsy ampy fahaizana ara-politika … fa ilay karazana politika eto Madagasikara no tsy zakany, tsy ilain'ny Vahoaka Malagasy maro an'isa — ary tsy ho ekeny intsony 🇲🇬

👉 Fantatrao tsar fa ny fahaizana samy manana ...
Fa aleon’ny Tanora Malagasy mialà sy mitady làlana hiasa ary hamiratra any ivelan'i Madagascar, toy izay hiharitra politika maloto sy tsy misy fanantenana eto an-toerana.

❓ Ka inona marina ilay politika tianao hampianarina ?
— Ilay fanao taloha, feno fitaka sy famadihana ?
— Sa ilay mitohy ankehitriny, mbola tsy afaka amin’ny fahazarana ratsy ?

⚖️ Ny Tena Fanavaozana ny Ngahy Prezdà dia Fahendrena, Fahitsiana ary Mangarahara !

❌ Tsy fandrefesana hery ny fanambaniana sy fiantsiana ary ny basy eny an-tanàna — fa fahalemena miafina ambadiky ny fahefana.

👥 Tadidio fa tsy ny isan'ireo Tanora Malagasy androany no olana, fa ny tsy fihainoanao ny fitakiany 🇲🇬

Teboka telo ihany no andrasan'ny Vahoaka Malagasy maro an'isa : Lalàm-panorenana vaovao, Lalàm-pifidianana vaovao, Fifidianana mangarahara 🇲🇬

👉 Ny ambiny rehetra : Fampatoriana vahoaka sy Fandaniam-potoana !

Tadidiko fa t@2018 efa nambàra t@propagande fa : Ny Politika eto Madagascar dia tsy natao hoan'ny Olona madio fo, Tsy natao hoan'ny Olona milazà ny marina satria Azo atao ny Mandainga, Azo atao ny Mamitaka, Azo atao ny Mamadika ary mbola Azo atao ary ny Mivadibadika ... izay karazana politika izay no tsy ekeny intsony 🇲🇬

09/04/2026

Hisy lacry ve sa hisy fahafahàna maneho hevitra malalaka ... ? 🇲🇬

05/04/2026
19/03/2026

Ry Prezidà Kolonely Michael 🇲🇬

Tsy olana aminay izany Polygraphie izany !
Fa raha tena atao @ anaran’ny Fahamarinana sy ny Mangarahara, dia aleo ny rehetra no sedraina — tsy misy an-kanavaka.
Minisitra, Solombavambahoaka, Mpitsara, Jeneraly, Mpanolotsaina … ireo rehetra nampindramin'ny Vahoaka Malagasy ny fahefana !

Ary raha tena madio ny rafitra, aleo ho avoaka ampahibemaso ho hitan’ny Vahoaka Malagasy ny valiny.

Satria ny Fahamarinana tsy miasa amin’ny 60% …
Satria 99% ny mari-defy rehefa miresaka ny marina amin’ny Vahoaka Malagasy 🇲🇬

Ny Fahamarinana tsy matahotra Polygraphie - Ny lainga ihany no mangovitra eo anoloany.

Ny fanontaniana dia iray ihany : Iza avy no tena sahy amin’izany ?

MILA MADIO NY FITANTANANA NY FIRENENA 🇲🇬

11/03/2026

Ry Malagasy namako 🇲🇬
Diso tanteraka isika raha mihevitra fa lany olo-manga, tsy misy intsony ny olona madio sy olo-marina eto Madagasikara - Misy izy ireny ... ary maro !
Tsy ny olona no olana - fa ny olana dia izao :
Tsy sahy miara-miasa amin’izy ireny ny mpitondra nifandimby !
Rehefa mahazo fahefana ny olona iray dia miova ...
Ny sasany matahotra tampoka ny olona madio, 'ndrao ho hita amin'ny hazavàna ny fanao ratsy tao amin'ny haizina efa nahazatra azy.
Ny hafa kosa - mandà avy hatrany hiara-hiasa amin’ny olo-marina sy madio, 'ndrao hampamiratra indray ny fahasahiàna feno sy ny fahaizan'izy ireny.
Raha madio ny fitondrana - Mandroso ny Fanavaozàna ny Firenena, rehefa maloto ny fitondrana - Mijaly ny Vahoaka Malagasy !
Aza kivy, manàna finoana, tafio ny fanantenàna - Mbola ho avy ny fotoana hamirapiratan’i Madagasikara
MILA MADIO NY FITANTANANA NY FIRENENA 🇲🇬

Want your business to be the top-listed Government Service in Analakely?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Address


Analakely