APIPA

APIPA

Share

PAGE OFFICIELLE DE L'AUTORITE POUR LA PROTECTION CONTRE LES INONDATIONS DE LA PLAINE D'ANTANANARIVO

01/06/2026
27/05/2026

- -

Photos from APIPA's post 19/05/2026

🌊🚜 LAKANDRANO ANDRIANTANY 🚜🌊.

🤝 Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny APIPA sy ny SMA amin’ny fanadiovana ireo lakandrano eto Antananarivo, ho fiarovana ny tanàna sy ny mponina ao aminy 🌧️🏘️.

📍 Teto amin’ny Lakandrano Andriantany no nanatanterahana ny asa fanadiovana, miainga eo Soanierana mankany amin’ny Pont Namontana, ary avy eo Soanierana hatrany amin’ny pont Anosibe amin’ny lalamby 🚧💧

⚙️ Andro maromaro no nanaovan’ny ekipa niara-nisalahy nanala ireo loto sy fako niangona tao anaty lakandrano, mba hisorohana ny fahatsetseman’ny fivoahan’ny rano eny amin’ireo faritra iva 🌿🚛🏗️.

✨ Izao fanadiovana izao dia natao satria ny lakandrano madio dia manampy amin’ny fiarovana ny tanàna, ny fananan’olona ary ny ain’ny mponina 💪🌍.

🙌 Koa manentana antsika rehetra:

🚯 Aza manary fako anaty lakandrano!

🌱 Hajao ny fahadiovan’ny tanàna!

🤲 Samy handray andraikitra amin’ny fiarovana ireo fotodrafitrasa iombonana.

💙 Lakandrano madio, tanàna voaaro, fiainana milamina ho an’ny rehetra.

-

Photos from APIPA's post 13/05/2026

🚧🌿 Fanadiovana hatrany ny lakandrano GR 🌿🚧.

Teny amin’ny Amont Ouvrage RN4 Ambodivona Kely indray no nanatanterahana ny fanadiovana sy fanesorana ireo fako nanentsina ny lakandrano 💧🗑️.

🚛 Nandritra ny asa natao tao anatin’ny iray andro, dia nahavita fitaterana fako miisa 09 voyages camions ny ekipa, niaraka tamin’ny fampiasana ⚙️ pelle mécanique sy ny firotsahan’ny 👷‍♂️👷‍♀️ ekipan’ny APIPA an-tsehatra, izay maneho mazava ny habetsahan’ny fako miangona ao anaty lakandrano.

✨ Mbola tsy vita anefa ny asa satria tena lava ny lakandrano, ka mitohy hatrany ny ezaka fanadiovana mba hiantohana ny fikorianan’ny rano sy hitandroana ny fahadiovan’ny fotodrafitrasa 💧🌿.

-

Photos from Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany's post 11/05/2026

🏗📜 Didim-panjakana mahakasika ny fanotofana tany.

🤝🚛 Fihaonan'ny MATSF, ny APIPA ary ny Mpitatitra ranotany.

▶️ Ho fanavaozana sy fandrindrana ny fomba fiasa mahakasika ny fitaomana sy fanotofana tany dia nihaona tamin'ireo mpitatitra misehatra amin'ny fanotofana tany ny MATSF sy ny Tale Jeneralin'ny APIPA androany, teny Anosy. 🏢📍

-

07/05/2026

Fanazavana mahakasika didim-panjakana nivaoka tamin'ny Filan- kevitry ny Minisitra momba ny Fanotofana tany.

-

Photos from Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany's post 07/05/2026

Fanotofana tany - tsy maintsy ho saziana izay tsy manaraka ny fenitra (normes).

🤝 Androany dia nihaona tamin’ireo Ben’ny tanàna miisa 58 mandrafitra sy manodidina ny lemak’Antananarivo ny Minisitry ny Fanajaraina ny Tany sy ny Raharan-tany, Lylyson René de Rolland. Niompana tamin’ny fanotofana tany, izay didim-panjakana nivaoka tamin’ny filan-kevitry ny Minisitry mahakasika ny famaritana ny toerana tsy azo hanaovana fanotofana sy afaka hanaovana izany ny resaka nifanaovan’izy ireo.

-

Photos from APIPA's post 30/04/2026

🚜🌊 MITOHY NY ASA FANADIOVANA – LAKANDRANO ANDRIANTANY.

Eto amin’ny Fokontany Ouest Mananjara, amin’ny canal Andriantany no hanatanterahana ny opération fanalana fako anio alina 🌙.

Efa eny an-toerana ny pelle mécanique an’ny APIPA, ka hiara-miasa amin’ny SMA 🤝. Misy ihany koa ny fanampian’ny Région Analamanga amin’ny alalan’ny pelle mécanique iray hafa 🚜, hanalana ireo fako manamorona, manodidina ary ao anaty lakandrano.

📍 Mizara ny asa eto ka eo Ambohibarikely no iasan’ny pelle mécanique an’ny Région 🚧, ho fanamafisana ny fanadiovana. 💧♻️.

👉 Izany rehetra izany dia atao ho fitsinjovana ny fahadiovan’ny tanàna sy ny lakandrano, ary ho fiarovana amin’ny aretina sy ny loza mety hitranga 🛑🦠.

- -

30/04/2026

📍 Tsy natsahatra ny fampiantona fanotofana tany (remblai), fa nisy kosa ny fanalefahana (dérogation) ⚖️.

▶️ Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, Lylyson Renée de Rolland, sy ireo Tale Jeneraly avy eto amin’ny Minisitera, androany 30 Aprily 2026, mahakasika ny falanian’ny didim-panjakana (décret pris en conseil des ministres) momba ny fandinihana sy fanadihadiana ny fangatahana fahazoan-dalana hanao asa fanotofana tany (remblai) sy fanalana tany (déblai), ny fitaterana ireo akora mifandraika amin’izany ary ny sazy amin’ny tsy fanarahan-dalàna atao ao anatin’ny faritra iasan’ny APIPA.

-

Photos from APIPA's post 29/04/2026

🌊 ASA FANADIOVANA LAKANDRANO – MITOHY HATRANY

Mitohy tsy miato ny asa fanadiovana lakandrano eto Antananarivo sy ny manodidina, ho fiantohana ny fivezivezen’ny rano sy hisorohana ny sakana mety hanentsina ny fikorianany.

📍 Manao ny asa fanadiovana sy fanesorana fako amin’ny lakandrano eny Manarintsoa, voromdamba ary Ampefiloha, indrindra amin’ireo faritra manamorona sy manodidina ny lakandrano.

⚠️ Na dia efa nodiovina aza ny toerana, dia mbola misy hatrany ny fako miverina ao anaty sy manamorona ny lakandrano isan-kerinandro.

👉 Midika izany fa tsy ampy ny fanadiovana raha tsy misy ny fiaraha-mientan’ny rehetra.

🤝 AOKA SAMY HITANDRO NY FAHADIOVANA 🌿, SATRIA REHEFA TSY MANDOTO IANAO 🚫🗑️ DIA EFA NAMANY MANAMPY NY ASA FANADIOVANA 🤝🌊.

🚫 AZA MANARY FAKO ANATY LAKANDRANO 🌊🗑️❌

-

Want your business to be the top-listed Government Service in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address

Lot IVW 18E Anosizato Est
Antananarivo
101