09/11/2026
Mila antsika olon-dehibe hiaro azy ny ankizikelintsika 💔 Sa tsy tadidinareo ve zany??? 😔
Ankizy aman-jatony - aman’arivony no mivezivezy eo isan’andro mandeha mianatra 💔
Isika olon-dehibe lay mametraka bicyclette/moto/fiara amin’ny trottoir zay tokony andeanan’ny zareo! 💔
Isika olon-dehibe no minia manangana vulca-atelier ana moto-atelier mpanao vy sns amin’ny trottoir zay tokony ametrahan’izy ireo ny tongony 💔
Isika olon-dehibe no mametraka ny dian’izy ireo amin’ny olona mikitakita azy eraky ny làlana ka tsy mahatsiaro intsony zay tokony alehany izy 💔
Rehefa hariva ny andro, velarintsika olon-dehibe ny koveta feno trondro, ny trano vy hanaovana gargotte, ny solde friperie, sns … eny amin’ny zay trottoir kely azon’izy ireo diavina rehefa mody avy mianatra 💔
Isika olon-dehibe io manao « conduite dangereuse » sy tsy manaraka zay lalan’ny fifamoivoizana io 💔
Camion io no tratra fa … firifiry ny camion goavana mifamezivezy eny amin’ny andro atoandro be??? Ny moto mirifatra etsy sy eroa tsy mba mitsonjo zay mpiampita ??? Ireo bicyclette moa …
Maro ny tranga hita manafintohina ataon’ny mpampiasa lalana eny … indrindra ny faritr’itaosy zay hita fa fantatra fa anisan’ny be mponina raha mbola faritra 🙏
Mbola mahazo manantena ny fahendren’i Maire rehetra eny itaosy ve hanadio ny làlana ka mba afaka mifamezivezy an-kalalahana ny ankizikely rehefa andeha hianatra ??? 💔
Andraikitsika olon-dehibe anie ny miaro an’ny ankizikely e??
Feno ny fo amin’ny maha-reny 💔
Handry am-piadanana anie ny fanahinareo mianadahy kely 🕊️ 💔