Député Haja Mananjary

Call Directions Contact the organization

Député Haja Mananjary SAHY MIJORO HOAN'I MANANJARY

𝗦𝗧𝗔𝗗𝗘 𝗥𝗔𝗕𝗘 𝗠𝗔𝗥𝗖𝗘𝗟 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬(𝙉𝙚𝙠𝙚𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙡𝙤𝙝𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙧𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖)▪️Nandritra ny kabary nataony teo amin'ny 𝗞𝗜𝗔𝗡𝗝𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗩𝗔𝗧𝗢𝗩𝗔𝗩𝗬,...
11/11/2026

𝗦𝗧𝗔𝗗𝗘 𝗥𝗔𝗕𝗘 𝗠𝗔𝗥𝗖𝗘𝗟 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬
(𝙉𝙚𝙠𝙚𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙡𝙤𝙝𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙧𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖)

▪️Nandritra ny kabary nataony teo amin'ny 𝗞𝗜𝗔𝗡𝗝𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗩𝗔𝗧𝗢𝗩𝗔𝗩𝗬, dia anisan'ireo fangatahana lehibe nentin'ny Solombavambahoaka 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔 – 𝗤𝗨𝗘𝗦𝗧𝗘𝗨𝗥 𝗜𝗜𝗜 ny fangatahana fanarenana ny 𝗦𝗧𝗔𝗗𝗘 𝗥𝗔𝗕𝗘 𝗠𝗔𝗥𝗖𝗘𝗟 eto 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬.

▪️Faly ary mankasitraka isika fa isan'ireo fangatahana neken'ny 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗩𝗔𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗥𝗘𝗣𝗢𝗕𝗟𝗜𝗞𝗔, 𝗞𝗢𝗟𝗢𝗡𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗜𝗖𝗛𝗔Ë𝗟 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔, nandritra ny fitsidihany teto 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬 ny fanarenana ity kianja ity.

▪️Isaorana ihany koa ireo ny tao amin'ny 𝗗𝗥𝗝𝗦 𝗩𝗔𝗧𝗢𝗩𝗔𝗩𝗬, izay miandraikitra ny fitantanana ny Stade amin'izao fotoana izao, noho ny fitondrana ny fanazavana ara-teknika mikasika ireo asa fanarenana tokony hotanterahina.

▪️Marihina fa ny 𝗘𝗡𝗧𝗥𝗘𝗣𝗥𝗜𝗦𝗘 𝗠r 𝗣𝗔𝗥𝗙𝗔𝗜𝗧, izay miasa eto 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬, no voatendry hanatanteraka izany asa fanarenana izany.

Dingana lehibe ho amin'ny fampandrosoana ny fanatanjahantena sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eto 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬 izao.

𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗧𝗥𝗔!

08/11/2026

𝗙𝗜𝗧𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗩𝗢𝗟𝗔𝗠𝗘𝗡𝗔 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗢𝗠𝗔𝗩𝗢
𝗙𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗠-𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗧𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬

07/11/2026

HETSIKA 7 NOVEMBRE 2026
FISAORANA MANANJARY.
Mitondra ny teny fisaorana antsika rehetra.

𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬 | 𝟳 𝗡𝗢𝗩𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲𝗙𝗜𝗦𝗔O𝗥𝗔𝗡𝗔▪️ Mamerina ny fisaorana sy fankasitrahana feno ho an'ny 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗩𝗔𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗥...
07/11/2026

𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬 | 𝟳 𝗡𝗢𝗩𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲
𝗙𝗜𝗦𝗔O𝗥𝗔𝗡𝗔

▪️ Mamerina ny fisaorana sy fankasitrahana feno ho an'ny 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗩𝗔𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗥𝗘𝗣𝗢𝗕𝗟𝗜𝗞𝗔, 𝗞𝗢𝗟𝗢𝗡𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗜𝗖𝗛𝗔𝗘̈𝗟 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔, izay namaly tamim-pankasitrahana ny FANASANA nataon'ny 𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗚𝗘𝗥 𝗛𝗔𝗝𝗔, 𝗤𝗨𝗘𝗦𝗧𝗘𝗨𝗥-3 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗜𝗠𝗜𝗘𝗥𝗔𝗠𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔, ka tonga nanatrika ny hetsika notanterahina ny zoma 6 novambra 2026 teto 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬.

▪️ Maneho fisaorana sy fankasitrahana ihany koa ireo tompon'andraikitra rehetra eto 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬, izay niara-nisalahy sy nifarimbona tamin'ny fikarakarana ary ny fanatanterahana ireo hetsika rehetra.

▪️ Mankasitraka indrindra ihany koa ny vahoaka rehetra izay namaly ny antso sy tonga maro nanotrona izany, ka naneho ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana ho an'ny tanànantsika.

𝗠𝗜𝗦𝗔𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗧𝗥𝗔
𝗠𝗜𝗦𝗔𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗔𝗕𝗬! 🇲🇬

𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢!

07/11/2026

MANANJARY
FILOHAN'NY FANAVOAZANA REPOBLIKA.

𝗙𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗠-𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗢𝗧𝗔𝗥𝗜𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗩𝗔𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗥𝗘𝗣𝗢𝗕𝗟𝗜𝗞𝗔, 𝗞𝗢𝗟𝗢𝗡𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗜𝗖𝗛𝗔𝗘̈𝗟 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔, 𝗧𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬▪️Vaho...
07/11/2026

𝗙𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗠-𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗢𝗧𝗔𝗥𝗜𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗩𝗔𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗥𝗘𝗣𝗢𝗕𝗟𝗜𝗞𝗔, 𝗞𝗢𝗟𝗢𝗡𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗜𝗖𝗛𝗔𝗘̈𝗟 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔, 𝗧𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬

▪️Vahoaka marobe no tonga nanatrika ny fitsaram-bahoaka izay notanterahina teto 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬, ka nahafahan'izy ireo nampita mivantana ny hetahetany sy ny olana sedrainy tamin'ny 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔. Nandray sy nihaino ny fitarainana ary namaly avy hatrany ireo fanontaniana sy teboka samihafa napetraky ny vahoaka ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika.

Voaresaka sy novaliana nandritra izany ireo olana samihafa mahakasika ny fiainan'ny mponina, toy ny:

- Ny olana sy ny fijaliana mianjady amin'ny vahoaka momba ny fananan-tany.
- Ny olana sedrain'ireo Ben'ny Tanàna (Maires) eto anivon'ny Faritra.
- Indrindra indrindra, ny raharaha mahakasika ny fitrandrahana volamena eto amin'ny Distrikan'i 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬.

▪️Ankoatra izany, dia nambaran'ny 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗩𝗔𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗥𝗘𝗣𝗢𝗕𝗟𝗜𝗞𝗔, 𝗞𝗢𝗟𝗢𝗡𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗜𝗖𝗛𝗔𝗘̈𝗟 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔, fa hisy asa lehibe hotanterahina eto 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬, izay mampanantena fanatsarana sy fampandrosoana ho an'ny mponina, ka anisan'izany ireto:

✅ 𝗙𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗦𝗧𝗔𝗗𝗘 𝗥𝗔𝗕𝗘 𝗠𝗔𝗥𝗖𝗘𝗟 eto Mananjary.

✅ 𝗙𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗗𝗜𝗚𝗨𝗘 eny Vinagny.

✅ 𝗙𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗼𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗕𝗜𝗥𝗔𝗢 𝗖𝗜𝗦𝗖𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬.

Dingana lehibe sy vaovao mahavelom-bolo ho an'ny fampandrosoana an'i Mananjary ireo fanambarana ireo, ary antenaina ny hahatanterahan'ireo asa nambara.

𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢! 🇲🇬

VOLAMENA MANANJARY Isaorana ny MINISTERAN'NY HARENA AN-KIBOTANY NANAO TATITRA. ▪️Kay ve misy an'izao ihany  MANANJARY,RI...
07/11/2026

VOLAMENA MANANJARY
Isaorana ny MINISTERAN'NY HARENA AN-KIBOTANY NANAO TATITRA.

▪️Kay ve misy an'izao ihany MANANJARY,
RISTOURNE Volamena 10kg no efa nandovam-bola tamin'ny Tresor. 8 kg ambiny andalam-pirakarana.

Takina kosa arak'izany tokony hiverin'ireo Ristourne ireo ato amin'ny Distrikan'i MANANJARY mba hanaovana asa fampadrosoana.

Isaorana ny Filohan'ny FANAVAOZANA NY REPOBLIKA Kolonely Michaël RANDRIANIRINA nanome ny nofon-kena mitampihavanana 50 T...
07/11/2026

Isaorana ny Filohan'ny FANAVAOZANA NY REPOBLIKA Kolonely Michaël RANDRIANIRINA nanome ny nofon-kena mitampihavanana 50 Tapitrisa Ariary.

Amin'ny maha ray aman-dReny itambarana ny Mme CHEF DE REGION dia napetraka any aminy ny vola miandry fandaminana.
Misaotra antsika
Misaotra ny PRRM

06/11/2026

ZOMA 6 NOVEMBRE 2026
MANANJARY
▪️Kabary PRRM- Filohan'ny FANAVAOZANA NY REPOBLIKA Kolonely Michaël RANDRIANIRINA

06/11/2026

Zoma 6 NOVEMBRE 2026

Address

Mananjary

Telephone

+261346550065

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Député Haja Mananjary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Député Haja Mananjary:

Shortcuts

Share