12/11/2026
𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗔𝗙𝗜𝗦𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗜𝗭𝗔-𝗠𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗘𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗦𝗘𝗛𝗔𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗘𝗧𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗟𝗧𝗣 𝗧𝗢𝗔𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔
Mpiofana miisa 10 no nisitraka fiofanana momba ny fandraharahana teto amin’ny LTP Toamasina, izay nanomboka ny 09 Novambra 2026 ary naharitra herinandro.
Ity hetsika ity dia nokarakarain’ny "Direction de l’Incubation Professionnelle" eo anivon’ny Minisitera foibe, tao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ny DRETFP Atsinanana.
Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiofana miisa 10, mba hahafahan’izy ireo mampita izany fahalalana izany amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fanohanana ireo tanora eto Toamasina. Tafiditra ao anatin’izany ny fampivelarana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fandraharahana, mba hahafahan’ireo tanora manorina ny hoaviny sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny Faritra Atsinanana.
Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany, niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’Asa Atsinanana, Ramatoa RANDRIAMIFIDY Sahondra Arlette, Tale misahana ny « Incubation Professionnelle » avy amin’ny Minisitera foibe.