Malagasy Miara-Miainga - MMM

Malagasy Miara-Miainga - MMM

Share

"Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina"

Photos from Malagasy Miara-Miainga - MMM's post 31/05/2026

Teny firariantsoa ho an'ny Reny rehetra avy amin'ny mpikambana MMM,ho tahian'Andriamanitra mandrakariva anie ianareo 🙏❤️

31/05/2026

Mirary fety sambatra ho an'ny Reny rehetra!

Photos from Malagasy Miara-Miainga - MMM's post 27/05/2026

27 Mey 2026

Teto Maevatanana, renivohitry ny faritra Betsiboka, no nanohizan’ny Antoko MMM ny fikaonandoham-paritra anio.

Voasolontena avokoa ireo distrika telo dia Maevatanana, Tsaratanana ary Kandreho sy ireo kaominina 39 mandrafitra ny faritra Betsiboka.

Ity fihaonambe isam-paritra ity dia natao hanavaozana ny rafitra sy ny birao eny ifotony, ary koa hamolavolana fehin-kevitra iraisan'ny mpikambana amin’ny fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena.



27/05/2026

EĂŻd Moubarak!

Photos from Malagasy Miara-Miainga - MMM's post 22/05/2026

22 Mey 2026

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy teto Maroantsetra renivohitry ny faritra Ambatosoa ny fikaonandoham-paritry ny Antoko MMM.

Nanamafy ny Antoko fa efa ela no nijoro sy nitaky ny fitsinjaram-pahefana tena izy,izay mifototra amin’ny faritra mahazaka tena,mamela ireo olom-boafidy sy olom-boatendry hiasa hankalalahana, satria zo fototra ny fitantanana ny harena isam-paritra.

Tsy maintsy apetraka ho ivon’ny fanapahan-kevitra politika sy ny fampandrosoana ny faritra tsirairay eto Madagasikara raha Tiana ny hisian'ny fanavaozana marina.



Photos from Malagasy Miara-Miainga - MMM's post 17/05/2026

Tafapetraka ny birao vaovao hitantana ny Antoko MMM ao amin'ny distrikan'i Toamasina I, taorian’ny fivoriana niarahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Voafidy hitarika izany rafitra vaovao izany Atoa TOMBO Gemma Valery Gaël,raha Atoa Be Franck Eliot no hisahana ny Tanora MMM.Nanome voninahitra sy nanatrika ity fotoana ity ny mpandrindra nasionalin’ny Antoko ao amin’ny faritra Atsinanana, Atoa Mamy Randriamahatratra.

Mitohy hatrany ny asan’ny MMM Toamasina I, indrindra amin’ny fanohanana ireo traboina, ny fanofanana ny tanora, ary ny fanamafisana ny rantsamangaikan’ny Antoko isam-pokontany.

Photos from Malagasy Miara-Miainga - MMM's post 16/05/2026

Nanolotra tafo,loko,fantsika, ary fitaovana hafa ho fanarenana ny EPP Nosibe, Kaominina Ambodiriana Toamasina II, ny Antoko MMM, taorian’ny fahasimban’ny sekoly vokatry ny rivodoza Gezani.

Avy hatrany dia niara-nientana ny rehetra namerina amin’ny laoniny ny sekoly mba hahafahan’ireo mpianatra miverina mianatra faran’izay haingana.

Velom-pankasitrahana ireo mpianatra, ray aman-dreny ary mpampianatra amin’izao asa sosialy izao, ary nanamafy ny hetahetan’izy ireo amin’ny mba hisian’ny herinaratra avy amin’ny masoandro eo an-toerana.

"Izay manoro lĂ lana mahitsy, mamindra aina"

Photos from Malagasy Miara-Miainga - MMM's post 13/05/2026

Notanterahina teto Masindray Distrikan'Avaradrano ny fivoriana niarahan'ny mpitarika MMM isam-pokontany ao amin'ny Kaominina Masindray sy Ambohimanambola.

Tanjon'ity fihaonana ity ny fandaminana ny asa fanaon'ny Antoko isan-taona, ary ny fanetsehana ireo rantsamangaika eny ifotony.

Photos from Malagasy Miara-Miainga - MMM's post 30/04/2026

Novatsiana fitaovana maimaim-poana avy amin’ny mpikambana MMM manerana ny Nosy ny Centre de Formation Mamindra Aina (CFMA) Toamasina,entina hanamafisana ny fiofanana ataon'ireo tanora.

Efa hita sahady ny vokatra, manomboka mahafehy ny fanamboarana parpaings ny mpiofana ka hiditra amin’ny taranja hafa indray atsy ho atsy.

Tanjona ity hetsika ity ny hanomezana fahaiza-manao azo ampiharina avy hatrany, mba hahafahan’ny tanora mahaleo tena sy mamorona fidiram-bola maharitra.

"Izay manoro lĂ lana mahitsy,mamindra aina"

24/04/2026

Nihaona tamin’ny solontenan’ny Frankôfônia ho an’ny faritra Ranomasimbe Indianina ny Birao Politikan’ny MMM sy ireo herivelona eto amin’ny firenena.
Nandritra izany fakan-kevitra izany dia nifantoka tamin’ny dinika nasionaly, ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny politika, ary ny fanatsarana ny rafi-pifidianana ny adihevitra.

Nanolotra soson-kevitra ny MMM momba ireo fanohanana ara-teknika azon’ny OIF entina, indrindra mikasika ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny CENI sy ny lalampifidianana, mba hahatongavana amin’ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra, ho
fanamafisana ny demokrasia izay antoky ny fampandrosoana maharitra.

Want your business to be the top-listed Government Service in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Address

Antananarivo
101