CESC Madagascar

CESC Madagascar Conseil Économique, Social et Culturel

🗣️ « Mila olona hihaino sy hitsinjo anay vahoaka »Ny CESC no tetezana mampitohy anao amin'ny mpitondra mba handrenesana ...
01/10/2026

🗣️ « Mila olona hihaino sy hitsinjo anay vahoaka »

Ny CESC no tetezana mampitohy anao amin'ny mpitondra mba handrenesana ny feonao:

👂 Mihaino ny rehetra, na aiza na aiza faritra misy anao

📢 Mampita ny olana sy ny vahaolana arosonareo.

🚀 Mitady lalana ho an'ny fampandrosoana miantefa mivantana amin'ny isam-batan'olona.

Satria ny fihainoana ny feon'ny vahoaka no hery mampandroso ny firenena! ❤️

💬 Inona ny laharam-pahamehana tokony hohatsaraina any amin'ny faritra misy anao eto Madagasikara ?
👇 Zarao eto amin'ny (commentaire) ny hevitrao!

Avy aiza marina moa ny CESC?Tsy zava-baovao io andrim-panjakana io: efa ao amin'ny Lalàm-panorenana hatramin'ny 2010, Fa...
28/09/2026

Avy aiza marina moa ny CESC?

Tsy zava-baovao io andrim-panjakana io: efa ao amin'ny Lalàm-panorenana hatramin'ny 2010, Fa mbola tsy nitsangana hatrizay fitondrana nifandimby teo.
Ny asany? Mitondra ny feon'ny vahoaka hatrany an-tampon'ny Fanjakana — maharitra, fa tsy amin'ny krizy ihany.

26/09/2026

💠 💠 Nanambara ny Filohan'ny Fanavaozana omaly, nandritra ny kabariny teny Anosy, fa efa ato ho ato ny fitsanganana amin'ny fomba ofisialy ny CESC (Conseil Économique, Social et Culturel), ary ny tanora no tena betsaka handrafitra azy .

.

Fa inona Tokoa no asan'ilay CESC ? ‎‎ireto Andian-teny Telo Ireto no mamaritra azy . ‎‎👂 MIHAINO : Ny feon'ny fiarahamon...
26/08/2026

Fa inona Tokoa no asan'ilay CESC ?
‎
‎ireto Andian-teny Telo Ireto no mamaritra azy .
‎
‎👂 MIHAINO : Ny feon'ny fiarahamonina , Manoloana ireo zava-misy sy ny olana eny ifotony .
‎
‎🔎MAMAKAFAKA : Mikaroka izay lafiny maro sy lokan'ady amin'ny sehetra Ekonomika , Sosialy Ary ara-kolontsaina sy ireo rohy mampisy ny sakana
‎
‎📣 MANOME HEVITRA : Manao fanamarihana sy Toro-hevitra hoan'ny mpanampan-kevitra sy ny mpanatanteraka .Ary manao ny tatitra sy ny fikarohana izay mipaika amin'ny Vahoaka
‎
‎Ny CESC dia Ilay Rafitra manakaiky vahoaka izay Feno mpitondran-teny sy mpisolo vaika ny feon'ny Vahoaka .
‎
‎ .

📣 Lany teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana HCC ny volavolan-dalàna mametraka ny CESC Source : https://w...
22/08/2026

📣 Lany teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana HCC ny volavolan-dalàna mametraka ny CESC

Source : https://www.hcc.gov.mg/?p=10055


Iza no mendrika hitondra ny feonao ao amin'ny CESC? 🤔Manana anjara toerana lehibe amin'ny fampandrosoana ara-toekarena, ...
27/07/2026

Iza no mendrika hitondra ny feonao ao amin'ny CESC? 🤔
Manana anjara toerana lehibe amin'ny fampandrosoana ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina ny CESC.

Manao ahoana re ny mombamomba (profil) ny olona tokony hitana andraikitra ao aminy e?

Olona matihanina amin'ny seha-pihariana?
Solontenan'ny fiarahamonim-pirenena?
Olon-tsotra mitondra ny feon'ny teny ifotony?

Ny Assemblée Nationale dia efa nandray sy nankatoa ny volavolan-dalàna momba ny fametrahana ny Conseil Économique, Socia...
21/07/2026

Ny Assemblée Nationale dia efa nandray sy nankatoa ny volavolan-dalàna momba ny fametrahana ny Conseil Économique, Social et Culturel (CESC).

➡️ Inona no dingana manaraka?

Ny fanapahan-kevitry ny Haute Cour Constitutionnelle (HCC) sy ny Présidence de la République sisa no andrasana mba hahafahana manomboka amin'ny fomba ofisialy ny asa.

💡 Ny CESC dia lalana iray vaovao hitondrana ny feon'ny vahoaka sy ny sehatra tsy miankina amin'ny fampandrosoana ny firenena.

Hanomboka rahampitso 20 Jolay 2026 ny « FANANDINANA BACC 2026 »Mirary soa anareo ankizy rehetra mba hahomby ka handray v...
19/07/2026

Hanomboka rahampitso 20 Jolay 2026 ny « FANANDINANA BACC 2026 »

Mirary soa anareo ankizy rehetra mba hahomby ka handray vokatra tsara avokoa ianareo🫶🥰

🗣️ Satria manan-danja ny feonao!Tsy mpanara-maso fotsiny ny olom-pirenena fa mpandray anjara feno amin'ny fampandrosoana...
15/07/2026

🗣️ Satria manan-danja ny feonao!

Tsy mpanara-maso fotsiny ny olom-pirenena fa mpandray anjara feno amin'ny fampandrosoana ihany koa.

Ny CESC dia eo foana ho sehatra ahafahanao maneho hevitra eo amin'ny lafiny ara-toekarena, ara-tsosialy, ary ara-kolontsaina.

✨ Ny feon'ny vahoaka, herin'ny firenena

Address

Anosy
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CESC Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Nearby government services