SAHY Miteny

Directions

SAHY Miteny vaovao rehetra, trangam_piaraha_monina , politika, ....

🚨Hampiakatra saran-dalana 1.000 Ar ireo taxi be eto AntananarivoManambana hampiakatra saran-dalana ho 1.000 Ariary ireo ...
10/11/2026

🚨Hampiakatra saran-dalana 1.000 Ar ireo taxi be eto Antananarivo

Manambana hampiakatra saran-dalana ho 1.000 Ariary ireo taxi be eto Antananarivo.
Noho ilay fiakarana 120,6% amin'ny hetra alaina amin'ny gasoil.

Tombanana hiakatra hatrany amin'ny 5.200 Ariary ny fiakaran'ny vidin'ny gasoil raha toa ka 4.860 Ariary ny litatra ankehitriny vokatr'io hetra midangana be io.

Mahatsiaro tena ho matiantoka ireo mpitatitra noho izany satria efa sady mandoa patante sy licence ny taxi be miasa, no sady miakatra isan'andro ny vidin'ny pièces sy kojakoja ilaina amin'ny fanamboarana fiara fitanterana.
Kanefa mbola ho tataovana hetra mihoa-pampana ihany koa ny gasoil.

Tsy maintsy hirosoana noho izany ny fampiakarana saran-dalana vantany vao mihatra io hetra vaovao io satria hiakatra ihany koa ny vidin'ny gasoil.

✝️Anio ihany dia hoentina any Faratsiho ny vata-mangatsiakan'i Ignace Rowan, ilay zazalahy kely tra-doza androany😭Mankah...
09/11/2026

✝️Anio ihany dia hoentina any Faratsiho ny vata-mangatsiakan'i Ignace Rowan, ilay zazalahy kely tra-doza androany😭

Mankahery tanteraka ny Fianakavina😥😥

🚨Hiakatra 120,61% ny hetra alaina amin'ny gasoilAza be taraina isika Facebooker fa tsy pression Facebook akory no handra...
09/11/2026

🚨Hiakatra 120,61% ny hetra alaina amin'ny gasoil

Aza be taraina isika Facebooker fa tsy pression Facebook akory no handraisana fanapahan-kevitra eto amin'ny firenena hoy i Kolonely Michaël.
Na hidangana tahaka ny inona aza ny hetra ho alaina dia tsy hiasan'izy ireo saina izay tarainanareo any.

Ankoatran'ny IRSA izay hiakatra 67% dia hiakatra 120,61% ihany koa ny hetra alaina amin'ny gasoil (taxe sur les produits pétroliers)
Lasa 503 Ariary izany raha toa ka 228 Ariary teo aloha.

Mazava hoazy fa tsy azo ihodivirana ny fiakaran'ny vidin'ny gasoil sy ny vidim-piainana ary frais noho izany.
70% ny mpitatitra amin'ny fitanteram-bahoaka sy vokatra no mampiasa gasoil.
Hidangana ary hiakatra avokoa ny frais amin'ny fitanterana rehetra manerana an'i Madagasikara noho izany.

Tsy ampy intsony ny vola zarazaraina sy hanaovana fety ary hitondrana delegasiona an-jatony mitety faritra.
Ka ny paosintsika vahoaka no manefa ny fandaniana rehetra !

Merci Gen Z 👏Merci CAPSAT 👏
Izay vao tena tanteraka tokoa le FAHAVOAZANA e 👏

🚨Fitoriana an'ireo Gen ZMaro tamintsika no tsy nahazo hoe fa maninona ireo Gen Z no nandefa taratasy fifonana tany amin'...
09/11/2026

🚨Fitoriana an'ireo Gen Z

Maro tamintsika no tsy nahazo hoe fa maninona ireo Gen Z no nandefa taratasy fifonana tany amin'i Fanirisoa Ernaivo ka indro ho azavaina ho azon'ny rehetra !

Nametraka fitoriana tao amin'ny Lehiben'ny Mpitsara Mpanadihady (Doyen des Juges d'Instruction) eo anivon'ny Fitsarana Ambara-tonga Voalohany Antananarivo i Fanirisoa Ernaivo.
Nolazain'i Fanirisoa Ernaivo tao anatin'ilay fitoriana fa nanao fanalam-baraka sy voatsikera mafy ( harcelée) izy mahakasika ny zavatra nolazain'ireo Gen Z ireo.

Tsy zakan'i Fanirisoa Ernaivo mihitsy ny fitakiana ny mangarahara sy ny fangatahana famoahana ireo zava-misy marina momba ireo sinoa 11 tsy hita popoka teny Avaradrano.

Notakian'ireo Gen Z manko ny hanokafana fanadihadiana mahaleo tena mahakasika iny raharaha iny.
Ary ny fialan'i Fanirisoa Ernaivo mba tsy hanohitohina ny fanadihadiana izay ho atao.

Nandefa taratasy fifonana nohon'ny fijoroana amin'ny fitakiana ny mangarahara sy ny hamoahana ny zava-misy marina momba ireo sinoa 11 tsy hita popoka noho izany ireo Gen Z.

Namafisin'ireo Gen Z fa zo fototra sy antony nitolomana ny fahalalahana maneho hevitra ka raisina ho fanapenam-bava sy fanohitohinana ny zon'ny olom-pirenena hitaky ny mangarahara amin'ny mpitondra fanjakana ity fitoriana ity.

🚨Notorian'i Fanirisoa Ernaivo ireo Gen Z ka nandefa taratasy fifonana taminy !Notorian'i Fanirisoa Ernaivo ireo Gen Z no...
08/11/2026

🚨Notorian'i Fanirisoa Ernaivo ireo Gen Z ka nandefa taratasy fifonana taminy !

Notorian'i Fanirisoa Ernaivo ireo Gen Z noho ny teny sy lahatsoratra navaoka tao amin'ny pejy Facebook « Mouvement Gen Z », « Tolom-bahoaka Ofisialy » sy ny kaonty « Jari Arye, Rado Randriam's, Arimamy Todisoa, Ny Amboara Ramanankajarivo ».

Toy izao no voarakitra tao anatin'ilay taratasy 👇👇👇

TARATASY MANAMAFY NY FITSAHARAN'NY FAHATOKISANA.

Ramatoa Ministra,

Manoratra aminao izahay mba hanehoana amin'ny fomba ofisialy sy an-tsitrapo ny fitsaharan'ny fahatokisanay anao mitana ny andraikitra ambony ; amin'ny maha-Mpitahiry ny Tombo-kase anao ; izay andry hiankinan'ny Fanavaozana ny Repoblika vokatry ny tolombahoaka tamin'ny taona 2025.
Izany moa dia nohon'ny fitoriana napetrakao teo anoloan'ny Lehiben'ny Mpitsara Mpanadihady (Doyen des Juges d'Instruction) eo anivon'ny Fitsarana Ambara-tonga Valoalohany Antananarivo.

I. FANEKENA

1. Manaiky izahay fa nandritra ny volana septambra sy oktobra 2026, dia nisy lahatsoratra, sary, teny ary fanehoan-kevitra (commentaires) navoaka tao amin'ny pejy sy kaonty voalaza etsy ambony, izay ampiasain'ny mpikambana Mouvement GenZ. Ekenay fa nampiasa voambolana noheverinao ho manevateva izahay. Marihinay anefa fa toa maika loatra ny filazanao hoe « tsy misy porofo »: efa nisy tokoa ny fivoahan'ny voafonja Sinoa iraika ambin'ny folo(11), ka efatra tamin'izy ireo no nandao ny firenena. Ny tsy mbola nametrahan'ny fitsarana porofo mazava momba ny fandraisanao anjara dia tsy tokony ho lolom-po entina hanenjehana anay ara-dalàna. Mihatra amin'ny rehetra ny foto-kevitry ny tsy fananan-tsiny mandra-paporofoana, ao anatin'izany ireo mitsikera anao.

2. Momba ny fiampangana ho nanao fanalam-baraka sy fanenjehana : Milaza ianao fa « nalam-baraka » sy « voatsikera mafy » (harcelée). Voamarikay ny fikasanao hampitsahatra ireo fitsikerana mampiady saina ny olompirenena ireo. Fa ny zava-misy nambaranay sy nozarainay dia manodidina ny "polémique" teny amin'ny tambazotra serasera ihany : ny famoahana voafonja tsy nahazoan-dalana nataon'ny mpiasan'ny fonja, ny ahiahy mipetraka amin'ny rojo fibaikoana dia anisan'ny adihevitra ampahibemaso sy ny tombontsoam-bahoaka. Ny filazana azy ireo ho « fanenjehana » dia toa fahasahiana mihoampefy: mampifangaro ny fitsikerana ara-politika, amin'ny fanenjehana manokana izany. Ny fahalalahana mamoaka hevitra, izay narovanao tamin'ny fomba ampahibemaso ho an'ny hetsiky ny GenZ tamin'ny taona 2025 dia misy ny zo hitsikera ny asan'ny minisitra.

3. Momba ny andraikitry ny minisitra (fototry ny resaka): Mangataka anay hanaiky ny fahadisoanay tamin'ny zo anay ianao. Asainay ampanajana kosa ianao, hieritreritra ny fahadisoanao. Amin'ny maha-Mpitahiry ny Tombo-kase anao, ianao no tokony hiantoka ny fahaleovantenan'ny fitsarana sy ny fandehan'ny raharaha ao amin'ny fonja. Nasehon'ny raharaha Sinoà 11 ny fahalemen'ny fitantananao. Tokony ho nitady izay tompon'andraikitra tao amin'ny ministeranao ianao, fa ianao nifidy hanenjika ireo tanora maneho hevitra. Asehonao amin'ny fangatahanay fifonana aminao indray izao fa hafangaronao ve sanatria ny tombontsoa manokana sy ny tombontsoam-bahoaka amin'ny famefena ny fahalalahana mitenin'ny tanora genZ.
Ity fihetsika ity, izay mampiasa ny rafitra fitsarana hampanginana ireo mpitsikera amin'ny raharaha lehibe, dia mitovy amin'ny fanodinkodinana fahefana (détournement de pouvoir) sa fanararaotam-pahefana ara-dalàna.

II. FIJOROANA
Manolo-tena izahay, tsirairay avy sady miaraka, ary manome toky fa mijoro miharo ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra. Izany dia raisinay ho adidy amin'ny maha olompirenena manohitra ny kolikoly anaty rafitra.

Mijoro izahay manoloana ny fiantsiana sy fanitsahana ny zon'ny olompirenena, toa zary kilalao sy hatsikana raha ny toe-javatra hanenjehana anay.

Farany, mampametram-panontaniana ny fampitandremana mafy nataonao. Mitaky fanesorana ny ranty zarainay ao anatin'ny 48 ora ianao noho ny teninay tao amin'ny tambajotra sosialy. Etsy ankilany, ny fanadihadiana momba ny famoahana voafonja 11, izay tokony hamantatra ny tompon'andraikitra, dia toa miadana. Vonona ny haneho ezaka amin'ny fomba fitsikeranay ny mpiasam-bahoaka izahay, saingy mangataka aminao kosa amin'ny fahamatorana mitovy amin'izany, mba hiantoka ny fahazavana amin'ity raharaha ity.
Tsy tokony hisy fifangaroan’ny tombontsoa manokana sy ny tombontsoam-bahoaka eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Tsy izany indrisy ny zava-misy asehonao androany. Ka izany indrindra no nahavery tanteraka ny hany mba fahatokisana kely nananay taminao nahare ny fitorianao anay olompirenena maneho hevitra tsotra.
Ny fitsikeranay moa dia mihezaka manaja ny endrika fitsikerana fomba fa tsy olona , Ary hanohy hamelona ny fotokevitra.

Mangataka anao izahay, Ramatoa Ministra, handray ny fanehoam-panajana avo lenta, sy ny fikasana mafy hijery ny fitsarana eto amin'ny firenena hifanaraka amin'ny foto-kevitra tokony ho entiny.

08/11/2026

🚨URGENT HAVORIA

Raikitra indray ny fanakanana olona tsy hiditra eny amin'ny Havoria Anosy ataon'ny DG ORTM Lemana Elisée.
Misy ampiasa ny Havoria izao maraina izao saingy tsy azo hidirana, efa voaloha anefa ny vola !

Efa tamin'ny volana Février no nanao famandrihan-toerana ny HAVORIA etsy Anosy ry zareo ireo, efa voarainy tompon'andraikitra ny vola , nahazo fahazoan-dalana tany aminy Maire sy Préfecture.

Androany tokony taminy 6 ora maraina raha tonga teny an toerana hanao installations sono, sns...... dia tsy afaka niditra satria nohidin'ny DG ORTM ny lalana midtra ao.

Tsy mba namaly anay mihintsy ny DG an'ny ORTM hoe avela ve izahay sa tsia hoy ireto olona ireto .

NY FAMOAHAN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA NY SARIN’NY MINISITRY NY FITSARANA NANKANY AMIN’NY FBI DIA VAO MAIKA NANAMARINA ...
07/11/2026

NY FAMOAHAN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA NY SARIN’NY MINISITRY NY FITSARANA NANKANY AMIN’NY FBI DIA VAO MAIKA NANAMARINA NY VAOVAO MIKASIKA NY FAMPIANTSOANA NA CONVOCATION NATAON’NY FBI HO AZY MIKASIKA NY RAHARAHA SINOA NAMPITSOAHANA NIALA TETO MADAGASIKARA.

Tena mitono-tena toa lolo fotsy i Fanirisoa satria raha ny seraseran’ny minisiteran’ny fitsarana dia 𝙁𝙄𝙃𝘼𝙊𝙉𝘼𝙈𝘽𝙀 𝙄𝙍𝘼𝙄𝙎𝘼𝙈-𝙋𝙄𝙍𝙀𝙉𝙀𝙉𝘼 momba ny « lalàna, fitsarana ary fampandrosoana » no nanasana azy tany ary ny banky iraisampirenena no nikarakara azy.

Raha ny tena marina dia ireo tompon’andraikitra amin’ny “rafi-pitsarana » na « systèmes judiciaires » no tena nilaina nandray anjara, izany hoe ireo tonian’ny mpampanoa lalàna ambony sy tonian’ny fampanoavana avy tamin’ireo firenena samihafa nasaina.

Tsy voatery ny minisitry ny fitsarana mihitsy no nandeha nanatrika tany, fa afaka tsara hoe ny PGCA teto amintsika ohatra no nitarika ny delegasiona malagasy. Fa noho ny fisian’ilay fampiantsoana avy tamin’ny FBI dia tsy maintsy izy minisitra no nankany.

Tsy misy idiran’ny FBI na kely aza amin’io programa ofisialy io, mazava izany fa matoa izy nankany amin’ny FBI dia tsy maintsy nisy ny fampiantsoana.

Manaporofo izany ny hoe izy no nanatona tany amin’ny biraon’ny FBI fa tsy ny FBI no nandeha nanatona azy, CONVOCATION no dikan’izay fa raha fanasana tsotra dia tsy maintsy nanatona tamin’izay toerana nisy an’i Fanirisoa ny FBI.

Ankoatra izay dia tsy mba ny minisitry ny fitsarana amerikana Todd Blanche izay tokony hoe mitovy laharana arofenitra amin’i Fanirisoa no nandray azy fa mpiasam-panjakana amerikana tsotra ao amin’ny FBI.

Tsy nomen’olona lanja mihitsy izy raha ny fahitana ny zavanisy noho ny ahiahin’ny amerikana fa tafiditra tamin’ny fampitsoahana an’ireo sinoa izay atidoha nikotrika ny heloka bevava natao tany Etazonia tamin’ny alalan’ny aterineto.

Efa nangataka tamin’ny fomba ofisialy ny amerikana ny hanoloran’i Madagasikara an’ireo sinoa ireo amin’ny fitsarana amerikana kanefa tsy mbola nanatanteraka ny malagasy hatramin’izao satria efa tsy eto Madagasikara intsony ireo sinoa fa efa nampitsoahana any Chine daholo.

🚨Tafiakatra 3.000 Ar ny rano iray bidon any MandritsaraMafy ny jalin-drano mahazo ny vahoakan'i Mandritsara amin'izao fo...
07/11/2026

🚨Tafiakatra 3.000 Ar ny rano iray bidon any Mandritsara

Mafy ny jalin-drano mahazo ny vahoakan'i Mandritsara amin'izao fotoana izao 😭
Tafiakatra 3.000 Ar ny vidin'ny rano iray bidon any an-toerana nohon'ny tsy fisian-drano.
Voatery mandeha tongotra lavitra be ny vahoaka vao mahita rano.
Aiza Bàbà, Lily ary Clémence hitarika bidon fa izao no fahoriana mahazo ny vahoaka e 😭

🚨Mampikony : Efa nivoaka ny fonja ilay ramatoa nanao commentaire Facebook Efa nivoaka ny fonja ilay ramatoa nanao commen...
07/11/2026

🚨Mampikony : Efa nivoaka ny fonja ilay ramatoa nanao commentaire Facebook

Efa nivoaka ny fonja ilay ramatoa nanao commentaires Facebook mahakasika ny ady tany ao Mampikony izay maha voasaringotra ny ilay vadina mpitsara.
Tsy nijanona hatreo anefa ilay mpitory fa mbola mandrahona olona manao commentaires ihany anaty MP.

Ilay mpitondra possy sy bajaj izay mbola nogadrain'ny vadin'ny mpitsara iray ao Mampikony moa mbola tsy misy resaka.
Ilay mpitondra bajaj migadra 3 taona tamin'ny Desambra 2025, ilay mpitondra possy voatazona am-ponja ny volana oktobra 2026 teo.
Samy nahakasika ny fiaran'ity vadina mpitsara ity moa no nampigadra azy ireo.

Mitohy ny fanaparam-pahefana ataon'ilay vadina mpitsara ary tsy refesi-mandidy tanteraka.
Tsy misy fandraisana andraikitra avy amin'ny mpitondra fanjakana fa dia jere-potsiny ny zavatra tsy mety ataon'ilay ramatoa vadina mpitsara.

🚨Mijaly rano Anjanahary Hoy i Mandresy Andriamiarana :‼️Te iteny fotsiny hoe mbola tsy mandeha foana aloha ny Rano aty A...
06/11/2026

🚨Mijaly rano Anjanahary

Hoy i Mandresy Andriamiarana :

‼️Te iteny fotsiny hoe mbola tsy mandeha foana aloha ny Rano aty Anjanahary. Mbola vomay ary nilahatra be ny bidon… raha 800ar ny iray dia lasa tady hiray hina ny mpanatitra rano ho 1000 ar ny iray bidon.
Ary ny bidon rehefa milahatra dia misy mangalatra na Efa misy Marika aza. Mafia be mihitsy an! 🤦🏻‍♀️
👉 Izany hoe raha izara ihany dia mba aza atao koveta fa Ataovy bidon.🫩
Efa tsy mitaraina tsy fisiandrano za io fa nareo ary otrany mbola sahirana angamba dia adinodino kely ilay resaka Jiro sy Rano Malagasy 🇲🇬

Address

Foulpointe
Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SAHY Miteny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Nearby government services