Faritra Vakinankaratra Ofisialy

Website Contact the organization

Faritra Vakinankaratra Ofisialy La Région de Vakinankaratra est une des 23 Régions de Madagascar, Province d'Antananarivo

🏆 FAHOMBIAZANA TANTERAKA NY UNIVERSIADE 2026 🎉🤝 Fanasongadinana ny firaisankina sy ny fihavanana maha Malagasy tamin'ny ...
09/11/2026

🏆 FAHOMBIAZANA TANTERAKA NY UNIVERSIADE 2026 🎉

🤝 Fanasongadinana ny firaisankina sy ny fihavanana maha Malagasy tamin'ny alalan'ny hetsika ara-panatanjahantena sy fifanankalozana ara-kolontsaina no fintin'ny Universiade 2026.

🎊 Lanonana manetriketrika no noentina namaranana tamin'ny fomba ofisialy ity hetsika ity ny andron'ny alahady 08 novambra tao amin'ny gymnase Vatofotsy.
Isan'ny iraka natrehan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Kolonely Randrianirina Michaël mivady taty antoerana ny fanomezan-danja sy fanotronana ireto tanora ireto.
Teto dia midera manokana ny fahamendrehan'ireo mpandray anjara rehetra ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara tamin'ny fanantaterahana ny hetsika izay nahitana taratra ny firalahiana sy ny fiombonana mampiseho ny maha-iray Malagasy,nanolotra lelavola mitentina 40 000 000 Ariary araka izany ny tenany ho fanohanana ny nikarakarana ny Universiade 2026. 💰

👏 Nanome voninahitra ny lalonana ny Mpanolotsaina avon'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara sy ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta,nanafy haja ny fotoana ihany koa Ramatoa lehiben'ny Faritra Vakinankaratra RAVAONIRINA Nathalie Sebastiènne niaraka tamin'ny lehiben'ny filehovana Antsirabe RANDRIANAIVO Ravakiniaina sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sivily sy miaramila avy eto an-toerana.

🏅 Natolotra teto avokoa ireo ambaora ho an'ireo nahazo ny fandresena nandritra ireo fifaninana isan-karazany.


, fanantanjahantena,kolontsaina


🏢 FITOKANANA NY BIRAON’NY FITALEAVAM-PARITRY NY MPONINA SY NY FIRAIKANKINA ETO ANTSIRABENotanterahina ny alahady 08 nova...
08/11/2026

🏢 FITOKANANA NY BIRAON’NY FITALEAVAM-PARITRY NY MPONINA SY NY FIRAIKANKINA ETO ANTSIRABE

Notanterahina ny alahady 08 novambra 2026 teto Antsirabe ny lanonana fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina, fotodrafitrasa vaovao natao hanatsarana ny tolotra sosialy sy hanamafisana ny fanakaikezana ny vahoaka.

Notarihin’Andriamatoa Michael RANDRIANIRINA, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny lanonana, izay natrehan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sy Ramatoa RAVAONIRINA Nathalie Sébastienne, Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra.

Nandritra izany, dia naneho ny fankasitrahany ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ny Lehiben’ny Faritra, noho ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao sy ny fanomezana fitaovana hanamafisana ny asa sosialy, indrindra ho fanohanana ireo sokajin’olona marefo. Nohamafisiny ihany koa ny fahavononan’ny Faritra hiara-hiasa amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ireo fandaharan’asa mamaly ny filàn’ny mponina.

Etsy ankilany, nanamafy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa tokony ho fitaovana hanakaikezana ny vahoaka sy hampiroboroboana ny firaisankina ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina. Nohitsiany ihany koa ny maha-zava-dehibe ny politika mifototra amin’ny filàn’ny vahoaka sy ny fampandrosoana marina, ary ny fikaonandoham-pirenena ho amin’izany tanjona izany.

Ho mariky ny firaisam-po sy ny fifanohanana, dia nanolotra 30 tapitrisa Ariary ho an’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, hanohanana ireo mponina marefo eto Antsirabe.

🇲🇬 Tolotra sosialy mihatsara, fanakaikezana ny vahoaka ary firaisankina ho an’ny fampandrosoana.

Ny fanomezana lanja ny maha-olona sy ny famaliana ny filàn’ny mponina no fototry ny fampandrosoana maharitra.

🎓 FAHASALAMANA: FAMOAHANA NY ANDIANY “MANEVA” TAO AMIN’NY INSTITUT PARAMA-IF ANTSIRABE👩‍⚕️ Mpianatra miisa 51 avy amin’n...
07/11/2026

🎓 FAHASALAMANA: FAMOAHANA NY ANDIANY “MANEVA” TAO AMIN’NY INSTITUT PARAMA-IF ANTSIRABE

👩‍⚕️ Mpianatra miisa 51 avy amin’ny lalam-piofanana Sage-femme, Infirmière ary Anesthésiste-Réanimateur no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 06 Novambra 2026, tao amin’ny Espace ROJO Antsirabe.

🤝 Nanome voninahitra ny lanonana Ramatoa RAVAONIRINA Nathalie Sébastienne, Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.

🎤Nandritra ny lahateniny dia nohamafisiny fa isan’ny antoky ny fampandrosoana ny fahasalaman’ny vahoaka, ary nandrisika ireo nahazo diplaoma hanohy hatrany ny fianarana sy hanatanteraka amim-pahavononana ny andraikitra miandry azy ireo.

🌟 Ny fahalalana sy ny fahaiza-manao anananareo anio no fototra hanatsarana ny fahasalaman'ny fiarahamonina rahampitso.




🎓 MIDITRA AMIN'NY ANDRO FAHA-06 NY HETSIKA UNIVERSIADE 2026 : MIFANTOKA AMIN’NY FIFANANKALOZANA ARA-KOLONTSAINA ISAKY NY...
05/11/2026

🎓 MIDITRA AMIN'NY ANDRO FAHA-06 NY HETSIKA UNIVERSIADE 2026 : MIFANTOKA AMIN’NY FIFANANKALOZANA ARA-KOLONTSAINA ISAKY NY FARITRA ATAON’IREO TANORA 🇲🇬

🎭 Raha toa ka fifaninanana ara-panatanjahantena no nanombohana ny Universiade 2026 dia fifanankalozana sy fifaninanana ara-kolontsaina indray no tao anatin’ny fandaharam-potoana ho an’ny andron’ny Alakamisy 05 Novambra. Samy nanasongadina ny mampiavaka azy avy ireo tanora eo anivon'ny oniversite avy amin'ny lafivalon'ny nosy, hoentina hanandratana ny firaisankina sy ny fihavanana maha-Malagasy. 🤝❤️

🎤 Nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny lanonana Ramatoa Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra, Ravaonirina Nathalie Sébastienne, nanotrona teto ihany koa ireo manam-pahefana isan-tsokajiny avy eto an-toerana. 👏

🇲🇬 Na dia eo aza ny fahasamihafana isaky ny Faritra dia tokony hanana foto-pisainana mahay miray hina amin'ny maha-malagasy ny rehetra araka ny fanavaozana misy ankehitriny ho amin'ny fampandrosoana ny firenena araky ny nasongadin-dRamatoa Lehiben'ny Faritra tamin'ny lahateniny. 🌱

🏘️ Tranoeva isan-karazany no hita teo amin’ny tokontany malalaky ny Oniversite Vakinankaratra Vatofotsy izay nampiranty ny mampiavaka ny Faritra tsirairay. 🎨🥁🌾

Universiade 2026: Tsy fifaninanana ihany, fa sehatra iray mampiray ny tanora, mampiroborobo ny kolontsaina ary manandratra ny fihavanana Malagasy.


🎭
👩‍🎓👨‍🎓

📍

💧 TETIKASA VIE D'EAU: NIROSOANA NY ATRIKASA FAMPAHAFANTARANA SY FIFANANKALOZAN-KEVITRA HO AN'NY TETIKASAMiasa ho amin'ny...
04/11/2026

💧 TETIKASA VIE D'EAU: NIROSOANA NY ATRIKASA FAMPAHAFANTARANA SY FIFANANKALOZAN-KEVITRA HO AN'NY TETIKASA

Miasa ho amin'ny fanomezan-danja maharitra mahakasika ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana ny tetikasa Vie d'Eau izay karakarain'ny ONG Ran'Eau miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka samihafa ary vatsian'ny FANAINGA ara-bola.

🎯 Kendren'ny tetikasa ao anatin'izany ny hampiroboroboana ny fifampizaram-baovao sy traikefa ary fanentanana ny olona hahay hikajy ny fampiasana ny rano ka ny andro talata 03 novambra nanatontosana ny dinikasa nihaonan'ireo mpisehatra voakasika ho amin'ny fampandehanana sy fampahafantarana ity tetikasa ity tao amin'ny La Providence.

🤝 Nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fotoana sy nisolotena an-dRamatoa Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra RAVAONIRINA Nathalie Sébastienne ny lehiben'ny sampandraharaha misahana ny raharaha ara-toekarena RAFAMANTANANTSOA Felatatamo Leonie; navoitra teto fa zava-dehibe iankinan'ny aina ny rano ka ny fisian'ny tetikasa tahaka izao dia vahaolana maharitra mamaly ny fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ahafahan'ny vahoaka misitraka rano fisotro madio.

📌 Marihina etoana fa faritra miisa 03 no iasan'ny tetikasa Vie d'Eau ary isan'izany ny eto Vakinankaratra, ao anatin'ny 11 volana no faharetan'ny asa.

'Eau
'Eau
'nyRanoFanadiovanasyFidiovana

HETSIKA ARA-KOLONTSAINA NATAO HO AN'NY ANKIZY SAHIRANA TETO ANTSIRABE. 👧🏾🧒🏾🎭Ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana tet...
04/11/2026

HETSIKA ARA-KOLONTSAINA NATAO HO AN'NY ANKIZY SAHIRANA TETO ANTSIRABE. 👧🏾🧒🏾🎭

Ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana teto Antsirabe no nisitraka fampisehoana ara-kolontsaina sy hetsika momba ny tontolo iainana ary ny fizahantany, nokarakarain’ny fikambanana "Rojo Manohisoa", ny Talata 03 sy Alarobia 04 Novambra 2026, tao amin’ny Tranoben’ny Kolontsaina sy Seraseran’ny Vakinankaratra, Vatofotsy. 📅🎭

Nisolotena an-dRamatoa Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra RAVAONIRINA Nathalie Sébastienne, Ramatoa Sariaka RASAONINA Lehiben'ny Sampandraharaha misahana ny Asa Sosialy.
🤝 Nankasitraka ny fikambanana izy nandritry ny lahateniny noho ny ezaka nataony hampivelarana ny ankizy sy hanabeazana azy ireo ho olom-pirenena vanona sy mahaleo tena.

Tanjona ny hampivelatra ny sain' ireo zaza. 🧠💡 Ezahina volena ao amin'izy ireo ny toetsaina ho tafita na eo aza ny fahasahiranana iainan'izy ireo any anivon'ny ankohonana misy azy. 🌱🌟



📊 TETIK'ASA RGE (Recensement Général des unités Économiques) : FINTANTANANA SY FAMPANDROSOANA NY FIRENENA 🇲🇬Notanterahin...
03/11/2026

📊 TETIK'ASA RGE (Recensement Général des unités Économiques) : FINTANTANANA SY FAMPANDROSOANA NY FIRENENA 🇲🇬

Notanterahina ny 02 Novambra tao amin'ny Hôtel Diamant Ampihaviana ny atrikasa fampahafantarana ny fanisana faobe ny orinasa sy ny toeram-pihariana miaraka amin'ny "INSTAT", izay eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola. Manerana an'i Madagasikara ny fanisana, ary voakasik'izany ny Faritra Vakinankaratra, nanomboka ny volana Oktobra 2026 ka hatramin'ny volana May 2027.

Nisolotena an-dRamatoa RAVAONIRINA Nathalie Sébastienne, Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra, Andriamatoa RAMAKARIVO Tsiory Nantenaina Tale misahana ny Fandraharahana Ankapobeny eto amin’ny fiadidiana ny Faritra.

🎯 Ny tanjona dia ny ahazoana ny antotanisa marina sy azo antoka avy amin'ireo orinasa, na lehibe na madinika, sy ny toeram-pihariana.

📣 Koa manentana ny vahoaka eto amin’ny Faritra Vakinankaratra handray ireo mpanao fanadihadina manokana avy amin’ny RGE, satria sarobidy ny valiteny avy amin'ny tsirairay hahazoana mamantatra ny zava-misy marina eny amin'ny fiarahamonina. 🙏

'nyToeKarena

TETIKASA LALANAY: VITA ARY NATOLOTRA NY KAOMININA AMBANIVOHITRA ALATSINAINY IBITY IREO FOTO-DRAFITRASA 🚫Ity foto-drafitr...
02/11/2026

TETIKASA LALANAY: VITA ARY NATOLOTRA NY KAOMININA AMBANIVOHITRA ALATSINAINY IBITY IREO FOTO-DRAFITRASA

🚫Ity foto-drafitrasa ity no antsoika hoe Lalana "numéro 1", mirefy 2km900 . Misy amin'io lalana notokanana ko no natao pavé, ary fanatsarana ivelan'ny renivohitry ny kaominina kosa ny sisa.

Nisolo tena an-dRamatoa Lehiben'ny Faritra Ramatoa RAVAONIRINA Nathalie Sébastienne, ny Talen'ny Kabinetra Andriamatoa TOBIARITINA Nofidiantsoa Tsinjomahenina ka nambarany nandritra ny laha-teny nataony fa antoky ny fampandrosoana ny làlana , manamora ny fifanerasera eo amin'ny tolotra sy ny tinady , indrindra amin'ny famoaham-bokatra. Manampy betsaka ny Faritra Vakinankaratra eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana ihany koa ny fianomezan-tànana ataon'ny sehatra tsy miankina toy izao.

🤝Ny "ONG Lalana" no nifanome tanana sy nanolotra ny mpiara-miombon'antoka nahatanterahan'ny fanaovana ireo fotodrafitr'asa. Fanohanana amin'ny fitantanana ny lalana kaominaly sy fametrahana ny rafitra mpikojakoja lalana.

🎯Tanjona ny hikojana hatrany ny lalana ao an-toerana. Izay lalan-dra manome aina ho fampandrosoana.
Novatsian'ny "fanainga +" vola manodidina ny 21 tapitrisa Ariary, ny tetikasa.

🤝Ny Faritra Vakinankaratra dia manohana hatrany ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka ho fanatsarana ny eny ifotony. Hampandrosoana ny fari-piainan'ny Vahoaka.



FETY JAPONEY : NY KAOMININA AMBONIVOHITRA BETAFO NO NANDRAY NY HETSIKA TAMIN'ITY TAONA ITYNy CLAC (Centre de Lecture et ...
02/11/2026

FETY JAPONEY : NY KAOMININA AMBONIVOHITRA BETAFO NO NANDRAY NY HETSIKA TAMIN'ITY TAONA ITY

Ny CLAC (Centre de Lecture et d'Animation Culturelle) Betafo no nampiantrano tamin’ny fomba ôfisialy ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney tamin’ny fankalazana ny "Fety Japoney", hetsika fanao isan-taona izay mikendry ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy i Japana.

Sehatra Fanehoana ny Fiaraha-miasa sy ny Fampandrosoana
Ity hetsika ity dia natao indrindra handefasana sy hanomezana lanja ny fifandraisana lalina eo amin'ny roa tonta. Tsara ny manamarika fa efa hatramin’ny taona 2007 ny CLAC Betafo no niara-niasa tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney, izay mandray anjara mavitrika amin'ny:

Fampandrosoana ifotony eo amin'ny sehatry ny fampianarana sy ny lafiny ara-tsosialy.

Fifanakalozana ara-kolontsaina, izay nasehon'izy ireo tamin'ny alalan'ny fampiratiana sy fampisehoana samihafa nandritra ny hetsika teto amin'ny Kaominina Ambonivohitra Betafo.

Nandritra ny lanonana, dia nambaran’i TOBIARITINA Nofidiantsoa Tsinjomahenina, Tale Kabinetran’ny Faritra Vakinankaratra – izay nisolo tena an’i Ramatoa Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra , fa lehibe ny anjara biriky entin’ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto.

« Manamafy ny fifandraisana ara-diplomasia sy ara-pirahalahiana eo amin'i Madagasikara sy i Japana ny fisian'izy ireo, ary mitondra fampandrosoana azo tsapain-tanana eto amin'ny Faritra Vakinankaratra. »

Ady amin'ny Tsy Fanjariantsakafo

Niaraka tamin’ity fankalazana ity ihany koa no nanamarihana ny hetsika ara-tsakafo mikendry ny hanome lanja ny vokatra sy ny fomba fisakafo eny an-toerana. Nokarakarain’ny plateforme HINA niaraka tamin’ny ONN (Office National de Nutrition) , ary nahitana fandraisana anjaran’ireo mpisehatra maro samihafa.

Ny tanjona lehibe tamin’izany dia ny fampisehoana sy fampiroboroboana ny ady amin'ny tsy fanjariantsakafo eto amin'ny Faritra Vakinankaratra, amin'ny alalan'ny fampiasana ireo akora sy sakafo ara-pahasalamana misy eny an-toerana.

Faritra Vakinankaratra — Fampandrosoana sy Fiaraha-miasa mahomby.

🌟 « NY ANJARA ASAKO » : SEHATRA FANOMANANA NY HO AVIN’NY TANORA 💼📍 Nosokafana ny zoma 30 Oktobra 2026 teto Vakinankaratr...
01/11/2026

🌟 « NY ANJARA ASAKO » : SEHATRA FANOMANANA NY HO AVIN’NY TANORA 💼

📍 Nosokafana ny zoma 30 Oktobra 2026 teto Vakinankaratra ny hetsika « Forum des métiers – Ny Anjara Asako ».

👥 Tonga nisolotena an-dRamatoa RAVAONIRINA Nathalie Sébastienne, Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Andriamatoa RAONIVELO Olivier, Tale misahana ny asa sosialy.

🎯 Tanora manodidina ny 600 no kendrena hisitraka ity sehatra ity, hahafantarana ireo safidy arak’asa, ny fiofanana misy ary ireo sehatra ahafahany manorina ny hoaviny.

✨ Ny fahafantarana ny asa no dingana voalohany amin’ny fanomanana ny ho avy!

Address

Région Vakinankaratra
Antsirabe
110

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Faritra Vakinankaratra Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Faritra Vakinankaratra Ofisialy:

Shortcuts

Share