22/10/2026
𝐙𝐎𝐊𝐈𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 𝟕𝟒 𝐒𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝟏𝟐𝟓 𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐇𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐎𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐊𝐎𝐇𝐎 𝐄𝐓𝐎 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀
Antanifotsy sy Ambohimandroso – 21 Oktobra 2026
🐔 Zanak’akoho miisa 2 500 nozaraina ho fanohanana ny zokiolona sy ny fikambanam-behivavy, ho fanatsarana ny fidiram-bola sy ny fari-piainana!
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena eny ifotony ny fiompiana akoho. Tao anatin’izany, ny Fitaleavam-paritry ny Fiompiana eto Vakinankaratra (DIREL Vakinankaratra) dia nanatanteraka hetsika fanohanana ireo vondrona marefo, tamin’ny alalan’ny fampiofanana sy fanolorana zanak’akoho.
Tao Antanifotsy, tao amin’ny Centre de Rencontre et de Loisirs des Personnes Âgées, dia zanak’akoho miisa 1 250 no natolotra ny fikambanan’ny zokiolona FITSIMBINANA, izay ahitana mpisitraka miisa 74. Nialohavan’ny fampiofanana momba ny teknika fiompiana izany, mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo sy hanatsarana ny vokatra.
Tao Ambohimandroso kosa, vehivavy miisa 125 avy amin’ny fikambanam-behivavy no nisitraka zanak’akoho miisa 1 250, niaraka tamin’ny fampiofanana momba ny fiompiana akoho. Notanterahina tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Antanifotsy ireo hetsika ireo.
🎯 Tanjona hatrany ny hampiroboroboana ny famokarana, hampitomboana ny fidiram-bolan’ireo tokantrano ary hanamafisa a ny fahaleovantenan’ny zokiolona sy ny vehivavy amin’ny alalan’ny asa fivelomana maharitra.
Manamafy ny fahavononan’ny Ministeran’ny Fiompiana (MINEL), amin’ny alalan’ny DIREL Vakinankaratra, hanohana ireo mpiompy sy hampiroborobo ny sehatry ny fiompiana ho an’ny fampandrosoana ny faritra sy ny Firenena izany.
"Fiompiana maoderina, fidiram-bola maharitra ho an’ny mpiompy, loharanon-karena ho an’ny Firenena"