DREN Haute Matsiatra

Directions

DREN Haute Matsiatra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DREN Haute Matsiatra, Government Organization, Mahamanina, Fianarantsoa.

RENTRÉE SOLENNELLE 2026–2027✳️ Nosokafana tamim-pomba ofisialy tany Tsiroanomandidy, faritra BONGOLAVA ny taom-pianarana...
05/11/2026

RENTRÉE SOLENNELLE 2026–2027

✳️ Nosokafana tamim-pomba ofisialy tany Tsiroanomandidy, faritra BONGOLAVA ny taom-pianarana 2026–2027 (RENTRÉE SOLENNELLE NATIONAL) ny Alarobia 04 Novambra 2026. Tonga niatrika izany lanonana izany tany ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena eto Matsiatra Ambony niaraka tamin'ireo ekipa avy ato amin'ny DREN Matsiatra Ambony.

✅ « *Fampianarana mirindra, antoky ny fampandrosoana ny firenena* » no lohahevitra nosafidiana hoenti-manamarika izany lanonana lehibe izany.

▶️ Ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena RAJAONARISON Sendra Nirina no nanokatra ny lanonana.

✳️Nanatanteraka fihaonana tamin'ireo mpanolotsaina ara-pedagojia nivoaka tamin'ny andiany faha 6  teto amin'ny DREN Mats...
05/11/2026

✳️Nanatanteraka fihaonana tamin'ireo mpanolotsaina ara-pedagojia nivoaka tamin'ny andiany faha 6 teto amin'ny DREN Matsiatra Ambony, izay ao anatin'ny CISCO 7(Isandra, Ambalavao, Ikalamavony, Ambohimasoa, Fianarantsoa,Lalangina, Vohibato), ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony ny alakamisy 22 oktobra 2026, izay natao tao amin'ny "Salle Audio".

▶️Natao izao ho fanomezana toromarika azy ireo mialohan'ny handraisana ny toerana hiasana.

✳️Nisitraka fanohanana manokana avy amin’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ny mpianatra kilasy faha-5 eo anivon...
03/11/2026

✳️Nisitraka fanohanana manokana avy amin’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ny mpianatra kilasy faha-5 eo anivon’ny EPP Plateaux , ho famporisihana azy ireo hiatrika ny fanadinana « CEPE», ny zoma 23 oktobra 2026.

▶️Tonga nanatrika izany ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony sy ireo olo manan-kaja isan-tsokajiny.

▶️Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanamarihana ny andro natokana ho an’ny asa firotsahana an-tsitrapo ity fanohanana ny mpianatra ity.

▶️Nisy ihany koa ny diabe namakivaky ny tanàna sy asa nifarimbonana.

▶️Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny fianakaviamben’ny Fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony.

🛑Notanterahina ny zoma 23 oktobra 2026 ny fametrahana ny vato fototry ny lakilasy miefitra 02 ao amin'ny EPP Ampanivana,...
03/11/2026

🛑Notanterahina ny zoma 23 oktobra 2026 ny fametrahana ny vato fototry ny lakilasy miefitra 02 ao amin'ny EPP Ampanivana, ZAP Ikalamavony, CISCO Ikalamavony.

▶️Ny toerana dia eo amin'ny tokotany malalaky ny EPP Ampanivana.

▶️Tonga nanokatra izany ny lehiben'ny sampan-draharaha DCAIAF sy ny lehiben'ny ZAP Ikalamavony izay solontenan'ny lehiben'ny CISCO Ikalamavony.

▶️Nanatrika sy nanampy tamin'izany ireo ray aman-drenin'ny mpianatra sy ireo mpampianatra eto amin'ny EPP Ampanivana.

🛑Nanatanteraka dinidinika, ny alarobia 21 oktobra 2026, ireo lehiben'ny sampan-draharaha sy lehiben'ny ZAP anivon'ny CIS...
24/10/2026

🛑Nanatanteraka dinidinika, ny alarobia 21 oktobra 2026, ireo lehiben'ny sampan-draharaha sy lehiben'ny ZAP anivon'ny CISCO Ikalamavony.

▶️Nodinihina nandritra izany ny lamin'asa mikasika ny fampisakafoana an-tsekoly na "activités d'alimentation scolaire" sy ny fampidirana ny lahasa ao anaty TESI ho an'ny kilasy famohazan-tsaina.

▶️Hisy araka izany ny famoriana tsy ara-potoana ireo mpikambana ao amin'ny FEFFI.

🛑Notanterahina ny talata 20 oktobra 2026, tao amin’ny CEG Ambohimahasoa, ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo Talen’ny...
24/10/2026

🛑Notanterahina ny talata 20 oktobra 2026, tao amin’ny CEG Ambohimahasoa, ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo Talen’ny CEG sy lisea rehetra teto anivon’ny CISCO Ambohimahasoa.

▶️Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fanohanana akaiky ny asa fanabeazana, araka ny andraikitr’izy ireo amin’ny maha mpanara-maso sy mpanohana akaiky (encadreurs de proximité) azy.

▶️ Ny SAF sy ny SIEP avy ao amin’ny DREN Matsiatra Ambony no tonga nitondra fampiofanana sy fanazavana mikasika izany, ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fanatanterahana ny andraikitra sahanin’ireo tompon'andraikitra.

✳️Ny alarobia 21 oktobra 2026 no nanokafana ny taom-pianarana 2026- 2027 ny sekoly katolika eto amin’ny Diosezin’i Fiana...
23/10/2026

✳️Ny alarobia 21 oktobra 2026 no nanokafana ny taom-pianarana 2026- 2027 ny sekoly katolika eto amin’ny Diosezin’i Fianarantsoa, tao amin’ny Lycée Saint François Xavier Ambatomena.

▶️Sorona Masina lehibe no nanombohana izany, izay notarihin’i Monseigneur Fulgence RABEMAHAFALY sy Monseigneur Jean Nicolas RAKOTOJAONA ary ireo pretra maro.

▶️Tonga nanome voninahitra izany ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony sy ireo solotenam-panjakana isan’ambaratongany.

✳️Natao tao amin'ny CEG Joël RAKOTOMALALA ny alatsinainy 19 oktobra 2026 ny lanonana ofisialy namindran'ny "ONG Projet J...
21/10/2026

✳️Natao tao amin'ny CEG Joël RAKOTOMALALA ny alatsinainy 19 oktobra 2026 ny lanonana ofisialy namindran'ny "ONG Projet Jeune Leader" (PJL) ny fitantanana ireo fotodrafitrasa sy fitaovam-pampianarana ho an'ireo CEG mpiara-miasa aminy ao amin'ny DREN
Matsiatra Ambony.

▶️Manomboka amin'ity taom-pianarana ity, ireo Mpanabe "Jeune Leader", izay mpampianatra teo anivon'ny sekolim-panjakana efa nahazo fiofanana no mitondra ny fanabeazana maha-olom-banona eny amin'ny CEG.

▶️Rehefa nandeha nandritra ny 13 taona (2013-2026) ny fiaraha-miasa, dia natolotry ny PJL ho an'ny sekoly ny fitaovana rehetra mba hitohizan'ny tombontsoan'ny mpianatra sy hanohanana ireo mpanabe vaovao.

▶️Izany dia natrehin'ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony sy ny Lehiben'ny CISCO Fianarantsoa, izy ireo dia samy nirary fitantanana mangarahara sy maharitra ny "ONG PJL" ho tombontsoan'ny zatovo rehetra eny anivon’ny Kolejy.

🛑Nitsidika ny Lisea Ambinaniroa ny lehiben'ny CISCO Ambalavao, ny alatsinainy 12 oktobra 2026.▶️Nandritra izany no nanaz...
21/10/2026

🛑Nitsidika ny Lisea Ambinaniroa ny lehiben'ny CISCO Ambalavao, ny alatsinainy 12 oktobra 2026.

▶️Nandritra izany no nanazavana misimisy kokoa ny mikasika ny fandaharam-pibeazana vaovao sy nihainoana ny feon'ireo mpianatra kilasy famaranana.

▶️Nisy ihany koa taorian'izay ny fitsidihana ny CEG an-dalam-panamboarana ao an-toerana.

✳️Notanterahina tao amin’ny efitrano « Audio » teto anivon’ny DREN Matsiatra Ambony, ny alakamisy 15 oktobra 2026, ny fi...
21/10/2026

✳️Notanterahina tao amin’ny efitrano « Audio » teto anivon’ny DREN Matsiatra Ambony, ny alakamisy 15 oktobra 2026, ny fiofanana ho an’ireo mpiasa misahana ny fitantanana ato amin’ny CISCO Lalangina.

▶️ Ny mpampiofana avy eto anivon’ny DREN Matsiatra Ambony no nitarika izany fiofanana izany, izay naharitra telo andro.

▶️ Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy hanatsarana ny asa fitantanana eto anivon’ny CISCO Lalangina.

Address

Mahamanina
Fianarantsoa
301

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREN Haute Matsiatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Nearby government services