02/11/2026
💻 ATRIKASA HO AN'IREO MANAM-PAHAIZANA MOMBA NY FANOMBANANA AMIN'NY FAMPIASANA NY TEKNOLOJIA NOMERIKA ETO MADAGASIKARA EO AMIN'NY SEHATRY NY TAMBAZOTRA MADINIKA NY HERINARATRA 🇲🇬
📅 Ny 27 ka hatramin'ny 30 oktobra 2026, dia notanterahina tao Antsirabe ny atrikasa ho an'ireo manam-pahaizana, izay nifantoka tamin'ny Fanombanana amin'ny Fampiasana ny Teknolojia Nomerika (Digital Readiness Assessment – DRA) eo amin'ny sehatry ny tambazotra madinika ny herinaratra. Ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) no nanome ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola tamin'izany.
🤝 Nandray anjara tamin'ity atrikasa ity ireo manam-pahaizana ara-teknika avy amin'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny Minisiteran'ny Fampandrosoana ny Teknolojia Nomerika, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ny Birao misahana ny Fampiroboroboana ny Famatsiana Herinaratra eny Ambanivohitra (ADER), ny Birao manam-pahefana mifehy ny herinaratra (ARELEC), ny Birao manam-pahefana mifehy ny Teknolojian'ny Fifandraisana (ARTEC), ny Kaomity Nasionaly ny Elektroteknika (NEC), ary ny Fikambanan'ireo Mpandraharaha Tsy Miankina misahana ny Fampidirana Herinaratra eto Madagasikara (AOPEM).
📊 Nifantoka tamin'ny fahafantarana sy fampiharana ny fomba fiasa DRA, ny fandinihana ireo andry enina sy ireo zana-tsokajy enina ambin'ny folo ampiasaina amin'ny fanombanana, ary koa ny famantarana ireo tanjaka, fahalemena, loza mety hitranga ary ireo tombontsoa azo avy amin'ny fampidirana ny teknolojia nomerika eo amin'ny sehatry ny mini-réseaux ny fifanakalozan-kevitra.
🎯 Dingana lehibe amin'ny famolavolana ny Paikady Nasionaly momba ny Fampidirana ny Teknolojia Nomerika eo amin'ny tambazotra madinika ny herinaratra 2026-2030 ity atrikasa ity. Tanjona amin'izany ny fanatsarana ny fanaraha-maso ireo fotodrafitrasa, ny fitantanana ny angon-drakitra ary ny fomba fampandehanana sy fitantanana ny tambazotra madinika.
👥 Handray anjara amin'ny fanatanterahana ireo atrikasa fifampidinihana manaraka ihany koa ireo manam-pahaizana, izay hanangonana ny traikefa sy ny soso-kevitra avy amin'ireo mpandraharaha amin'ny tambazotra madinika, ireo mpamatsy teknolojia, ireo mpisehatra amin'ny tolotra ara-bola nomerika, ny fiarahamonim-pirenena ary ny oniversite.
🚀 Amin'ny farany, ireo vokatra azo avy amin'ity fanombanana ity dia hahafahana mamaritra ireo sori-dalana sy vahaolana nomerika mifanaraka amin'ny zava-misy sy ny filàn'ny sehatry ny tambazotra madinika eto Madagasikara, mba hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fitantanana izany manerana ny Nosy.
____________________________________________
💻 ATELIER DES EXPERTS SUR LE DIAGNOSTIC DE PRÉPARATION AU NUMÉRIQUE (DRA) DU SOUS-SECTEUR DES MINI-RÉSEAUX À MADAGASCAR 🇲🇬
📅 Du 27 au 30 octobre 2026, un atelier d'experts consacré au Diagnostic de Préparation au Numérique (Digital Readiness Assessment – DRA) du sous-secteur des mini-réseaux s'est tenu à Antsirabe, avec l'appui technique et financier du Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD).
🤝 Cette rencontre a réuni des experts techniques et juridiques du Ministère en charge de l'Énergie (MEH), du Ministère du Développement Numérique, des Postes et des Télécommunications (MNDPT), de l'Agence de Développement de l'Électrification Rurale (ADER), de l'Autorité de Régulation de l'Électricité (ARELEC), de la Jiro sy Rano Malagasy (JIRAMA), de l'Autorité de Régulation des Technologies de Communication (ARTEC), du National Electrotechnical Committee (NEC) ainsi que de l'Association des Opérateurs Privés pour l'Électrification de Madagascar (AOPEM).
📊 Les travaux ont porté sur l'appropriation de la méthodologie du DRA, l'examen des six piliers et seize sous-piliers d'évaluation, ainsi que l'identification des forces, faiblesses, risques et opportunités liés à la digitalisation des mini-réseaux.
🎯 Cet atelier constitue une étape importante dans l'élaboration de la Stratégie Nationale de Digitalisation des Mini-réseaux 2026-2030, qui vise notamment à améliorer le suivi des installations, la gestion des données et les conditions d'exploitation des mini-réseaux.
👥 Les experts mobilisés contribueront également à l'animation des prochains ateliers de consultation, qui permettront de recueillir les expériences et les propositions des opérateurs de mini-réseaux, des fournisseurs de technologies, des acteurs des services financiers numériques, de la société civile et des universités.
🚀 À terme, les résultats du diagnostic permettront de définir, dans le cadre de cette stratégie, des orientations et des solutions numériques adaptées aux réalités du sous-secteur, afin de renforcer le suivi et la gestion des mini-réseaux à l'échelle nationale.