11/10/2026
🇲🇬 FANJIRY MANDROSO, VEHIVAVY MIROSO, MADAGASIKARA MIVOATRA! 🇲🇬
📍 SABOTSY 10 OKTOBRA 2026 | BETSIAKA – FARITRA DIANA
🤝 FANJIRY MANAKAiky NY VAHOAKA: FAMETRAHANA AMIN'NY FOMBA ÔFISIALY NY RANTSA-MANGAIKAN'NY FIKAMBANANA FANJIRY SY FANOLORANA TOHANA ARA-PIRENENA SY ARA-PISEHANA HO AN'NY VEHIVAVY.
Tsy teny fotsiny, fa ezaka ho amin'ny fampandrosoana! 💪
Tonga tao Betsiaka, distrikan'Ambilobe, Faritra DIANA, Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA, Filoha mpanorina sy Filoha nasiônalin'ny Fikambanana Fanjiry, nametraka tamin'ny fomba ôfisialy ny rantsa-mangaikan'ny fikambanana sady nanolotra tohana ara-pivelomana ho fanatsarana ny fari-piainan'ny vehivavy sy ny mponina.
💙 VEHIVAVY MIJORO, FIANAKAVIANA MANDROSO!
Nohamafisin-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA fa vonona hanampy ny vehivavy ny Fikambanana Fanjiry amin'ny fahazoana kara-panondrom-pirenena, kopia nahaterahana ary bokim-pianakaviana, sady manentana azy ireo handray anjara amin'ny fiainam-pirenena amin'ny alalan'ny fisoratana anarana ao anatin'ny lisi-pifidianana.
🎯 TOHANA MIVAINGANA HO AN'NY FAMPANDROSOANA
Tsy natao ho teny an-taratasy ihany ny fanohanana fa niompana tamin'ny filàna sy ny fampivelarana ny fahaiza-manaon'ny mponina, ka anisan'izany ireto:
✅ Rano fisotro madio: forage 22, ka ny 15 ho an'Antsiranana I, ny 5 ho an'i Nosy Be ary ny 2 ho an'i Betsiaka.
✅ Fitaterana sy vonjy taitra: lakana « vedette ambulance » ho an'ny Cap Diégo.
✅ Fampiroboroboana ny asa fivelomana: milina fanjairana 150, milina fanaovana paty 75, lafaoro fanaovana mofomamy 15 ary fitaovana fikapohana mofomamy 15.
✅ Fiompiana: fampiofanana sy zanak'akoho miisa 3.000.
✅ Fanabeazana: fitaovam-pianarana miisa 400.
✅ Fambolena: masomboly 30 taonina.
✅ Fitaterana: bisikileta miisa 17.
✅ Asatanana: karatra maha-matihanina miisa 60.
✅ Fahasalamana: fitsaboana maimaim-poana, kitapo ilaina amin'ny fiterahana ary fampitaovana ny toeram-piterahana, anisan'izany ny fitaovana échographie.
💰 50 TAPITRISA ARIARY HO FANOHANANA NY FAMPANDROSOANA!
Ho fanampin'ireo tohana ara-pitaovana ireo dia nanolotra fanampiana ara-bola mitentina 50.000.000 Ariary ihany koa Ramatoa Elisa RANDRIANIRINA teto Betsiaka.
🌱 HAFATRA HO AN'NY HOAVIN'I MADAGASIKARA
« Rehefa miray hina isika dia manjaka ny demôkrasia, izay tena fototra ijoroan'ny fitondrana Fanavaozana ankehitriny. Andao hanambatra ny hery amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ary miroso isika mankany amin'ny fanavaozana hametraka sy handray an-tanana ny hoavintsika.
Ho feo iray, hanoratra tantara, hoavin'i Madagasikara! »
✨ Hafatra iray no misongadina: ny fampandrosoana dia mitaky firaisankina, fandraisana andraikitra ary fanohanana mivaingana ny vahoaka, indrindra ny vehivavy izay manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina.
🇲🇬 FANJIRY — HO AN'NY VEHIVAVY, HO AN'NY FAMPANDROSOANA, HO AN'NY HOAVIN'I MADAGASIKARA!
Madagasikara