Cffamma

Cffamma

Share

Centre de Fabrication ,de Formation et d'Application du Machinisme et de la Mรฉcanisation Agricole

31/05/2026

Miarahaba ny reny rehetra tsy ankanavaka amin'ity andro natokana ho anareo ity ny CFFAMMA. ๐ŸŒน

Mankasitraka anareo izahay
noho ny fitiavana, ny fikarakarana ary ny ezaka ataonareo isan'andro ho an'ny ankohonana sy ny fiarahamonina.

Mirary fahasalamana, fahombiazana ary fifaliana ho anareo mandrakariva.

Mirary Fetin'ny Reny sambatra ho an'ny reny rehetra! ๐Ÿ’

Photos from Cffamma's post 29/05/2026

Salon des mรฉtiers et de la formation-Jour 1

26/05/2026

๐’๐š๐ฅ๐จ๐ง ๐๐ž ๐ฅ'๐žฬ๐ญ๐ฎ๐๐ข๐š๐ง๐ญ ๐ž๐ญ ๐๐ž๐ฌ ๐ฆ๐žฬ๐ญ๐ข๐ž๐ซ๐ฌ - ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ”

Ho hitanao eo anoloan'ny Hรดtel des Thermes Antsirabe ny CFFAMMA ny 29 sy 30 may 2026 izao mandritran'ny "Salon de l'รฉtudiant et des mรฉtiers" karakarain'ny ASMAE.

Hisy ihany koa ireo ivon-toeram-piofanana, sekoly ary matihanina maro hanoro sy hizara momba ireo lalam-piofanana sy asa samihafa!

๐Ÿ‘‰ Te hahafantatra fiofanana mifanaraka aminao ve ianao ?
๐Ÿ‘‰ Te hahita asa sy sehatra mety aminโ€™ny hoavinao ?
๐Ÿ‘‰ Te hianatra momba ny tontolonโ€™ny fambolena sy ny teknika maoderina ?

Tongava mitsidika ny stand CFFAMMA ๐Ÿšœ๐Ÿ’š

๐Ÿ“ Eo anoloanโ€™ny Hรดtel des Thermes โ€“ Antsirabe
๐Ÿ“… 29 & 30 may 2026
Laharana ifandraisana : 034 02 053 98

24/05/2026

๐๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐š๐ง๐š๐ค๐š๐ฏ๐ข๐š๐ฆ-๐›๐ž๐ง'๐ง๐ฒ ๐Œ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ž๐ซ๐š๐ง'๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ฆ๐›๐จ๐ฅ๐ž๐ง๐š ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ก๐š๐ฅ๐ž๐จ๐ฏ๐š๐ง๐ญ๐ž๐ง๐š ๐š๐ซ๐š-๐ญ๐ฌ๐š๐ค๐š๐Ÿ๐จ ๐๐ข๐š ๐ฆ๐ข๐ซ๐š๐ซ๐ฒ ๐Ÿ๐ž๐ญ๐ข๐ง'๐ง๐ฒ ๐๐ž๐ง๐ญ๐ž๐ค๐จฬ‚๐ฌ๐ญ๐š ๐ฌ๐š๐ฆ๐›๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ก๐จ ๐š๐ง'๐ง๐ฒ ๐ซ๐ž๐ก๐ž๐ญ๐ซ๐š!

22/05/2026

Test matรฉriel de post-rรฉcolte

Photos from Cffamma's post 20/05/2026

๐๐š๐ง๐š๐จ ๐Ÿ๐ข๐ญ๐ฌ๐ข๐๐ข๐ก๐š๐ง๐š ๐ญ๐š๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐๐š๐ซ๐œ ๐โ€™๐ˆ๐ง๐จ๐ฏ๐š๐ญ๐ข๐จ๐ง anโ€™ny IITA Madagascar tao Andranomanelatra ireo mpianatra taona voalohany hatraminโ€™ny taona fahatelo ao aminโ€™ny CFFAMMA.

Nandritra izany dia nahita sy nianatra momba ireo karazam-pamokarana sy teknika fambolena maoderina izy ireo : fanondrahana, fitantanana ny tany, teknolojia vaovao ary ireo fomba ampiharina aminโ€™ny fambolena maharitra sy agroรฉcologique. ๐ŸŒพ

Tsy fijerena fotsiny anefa no natao, fa fotoana iray ihany koa hifanakalozana aminโ€™ireo matihanina sy hahafantarana ireo olana sy fanamby atrehanโ€™ny sehatry ny fambolena aminโ€™izao fotoana izao.

Tanjona ny hanofana tanora vonona hiasa, hahay hampihatra ary ho afaka hitondra fanavaozana eo aminโ€™ny sehatry ny fambolena. ๐Ÿšœ

Photos from Cffamma's post 20/05/2026

๐€๐๐๐„๐‹ ๐€ฬ€ ๐Œ๐€๐๐ˆ๐…๐„๐’๐“๐€๐“๐ˆ๐Ž๐ ๐ƒโ€™๐ˆ๐๐“๐„ฬ๐‘๐„ฬ‚๐“

Le CFFAMMA lance un appel ร  manifestation dโ€™intรฉrรชt pour le recrutement dโ€™un consultant chargรฉ de mener une รฉtude technique dans le cadre de la mise en place dโ€™un centre national de test de matรฉriels et รฉquipements agricoles ร  Madagascar.

๐ŸŽฏ Objectif : Identifier les matรฉriels et รฉquipements de test nรฉcessaires ainsi que leurs spรฉcifications techniques afin de contribuer au dรฉveloppement et ร  la modernisation du secteur agricole malagasy.

๐Ÿ“Œ Profil recherchรฉ :
-Ingรฉnieur en gรฉnie mรฉcanique, agroรฉquipement ou domaine connexe
-Expรฉriences en machines agricoles, laboratoires mรฉcaniques et protocoles dโ€™essais
-Maรฎtrise des normes ISO/IEC 17025
-Expรฉrience en gestion de laboratoire et conception dโ€™essais

Les consultants intรฉressรฉs sont invitรฉs ร  soumettre leur dossier conformรฉment aux indications mentionnรฉes dans lโ€™avis.

Date limite de dรฉpรดt : 19 Juin 2026 ร  14h
Dรฉpรดt physique des dossiers :
โ€ข CFFAMMA Ambatobe Nanisana โ€“ Antananarivo ou
โ€ข CFFAMMA Ivory Antsirabe

Informations complรฉmentaires : [email protected]
[email protected]

19/05/2026

Afaka manao commande foana anie ianareo raha mbola tsy nahazo ity fikapoham-bary ity e ๐Ÿ˜ Aza misalasala miantso ny laharana 034 02 378 92 raha misy fitaovam-pambolena mahaliana anao.

18/05/2026

๐…๐š๐ง๐ญ๐š๐ญ๐ซ๐š๐จ ๐ฏ๐ž ๐ก๐จ๐ž ๐ข๐ง๐จ๐ง๐š ๐ข๐จ ๐š๐ฆ๐ข๐ง'๐ง๐ฒ ๐ฌ๐š๐ซ๐ฒ ๐ข๐จ?
(tsy fitaovana amidy ato amin'ny Cffamma aloha ๐Ÿ˜‚)

Io no atao hoe "araire"... izy no isan'ny razam-ben'ny angadin'omby ampiasaintsika amin'izao. Tany amin'ny 5000 taona mialohan'izao vanim-potoana iainantsika izao no nampiasanโ€™ny olona azy.

Ny asany :
- manampy aminโ€™ny fanalana ahidratsy
- manalefaka ny tany ary manomana ny tany alohanโ€™ny famafazana
- manampy handrakotra ny voa rehefa avy mamafy

Inona ny fitaovana tranainy mbola hitanao any aminโ€™ny faritra misy anao?

(Sary indrana)

Photos from IITA Madagascar's post 16/05/2026
Want your business to be the top-listed Government Service in Antsirabe?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address


IVORY
Antsirabe
109

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00