11/11/2026
🎥 𝗩𝗔𝗟𝗔𝗡-𝗗𝗥𝗘𝗦𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬
Mihantona ny Fanintsiana ny saram-pidirana eny amin’ny Valanjavaboahary - Madagascar National Parks mihaino ary manome lanja ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa.
👉 Tontosa anio 11 Novambra teo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Ministère de l'Environnement et du Développement Durable ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety. Manamafy ny Madagascar National Parks fa misokatra hatrany amin’ny fihainoana sy ny fifampidinihana amin’ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny fitantanana ny Valanjavaboahary.
Fanapahan-kevitra lehibe noraisina ny nampihantona ny fampiharana ny fanitsiana ny saram-pidirana, mba hanomezana sehatra ny fifanakalozana sy handinihana miaraka ireo sosokevitra samihafa.
✅ Nohamafisina ihany koa ny maha zava-dehibe ny mangarahara amin’ny fitantanana sy ny fampiasana ireo loharanom-bola ho an’ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny fampandrosoana eny ifotony ary nitondra fanazavana mahakasika izany ny Madagascar National Parks, izay manana fenitra sy fanaraha-maso entitra.
Tsiahivina moa fa tsy mijanona ho an’ny Madagascar National Parks irery ny vola azo avy amin’ny Saram-pidirana amin’ny Valanjavaboahary fa zaraina toy izao: 65 % ho an’ny fiarovana, ny fanaraha-maso sy ny fisafoana; 20 % ho an’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony; 10 % ho an’ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ary 5 % ho an’ny fitantanana.
🌱 Mitohy hatrany ny fanohanana ireo vondrom-piarahamonina manodidina ny Valanjavaboahary, indrindra amin’ny alalan’ny tetikasa sosialy sy fampandrosoana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra sy tompon’andraikitra eny ifotony.
🤝 Hisy atsy ho atsy ny fihaonana an-databatra boribory iarahan’ny Solombavambahoaka, ny MEDD, ny MNP, ny Ben’ny Tanana, ireo mpisera-dia ary ireo mpiara-miombon’antoka, mba hanohizana ny fifanakalozan-kevitra sy hitadiavana vahaolana iombonana sy maharitra.
🌳 Andraikitra iombonana ny fiarovana ny harena voajanahary. Ny fifampihainoana sy ny fiaraha-mientana no antoky ny lova voajanahary maharitra ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.
🤝 Mamerina ny fisaorana ho antsika rehetra amin’ny soso-kevitra. Raisinay an-tanan-droa izany.
🟠 For Life