01/06/2026
ðð¡ðð¥ð : ðð®ðºð²ðð¿ð®ðžð® ð£ð®ð¶ðžð®ð±ð ð©ð®ðŒðð®ðŒ ðµðŒ ðð®ð»ð®ððð®ð¿ð®ð»ð® ð»ð ðð¶ðð®ð»ðð®ð»ð®ð»ð® ð»ð ððŒðð® ðð ð»ð ð§ð®ð»ð±ð¶ð»ð±ðŒð»-ð±ðŒðð®
ðŠïžHo fanamafisana ny fiomanana sy ny fiatrehana ny vanim-potoananâny fahavaratra 2026â2027, dia nanatanteraka fikaonandoha ireo tomponâandraikitra eo anivonâny BNGRC manerana anâi Madagasikara.
ð Ny tanjonâity fikaonandoha ity dia ny hanatsarana ireo paikady entina mitantana ny loza sy ny tandindon-doza. Ohatra akaiky noraisina sy niainganâny adihevitra ny fandrindrana natao nandritra ny fandalovanâny rivodoza FITYA sy GEZANI farany teo.
âïž Ankoatra izany, nandinika ireo lafiny mifandraika aminâny fandaminana anatiny sy ny fanatsarana ny fomba fiasa ihany koa ireo mpandray anjara nandritra ity fikaonandoha ity, ho fanamafisana ny fahombiazanâny asa sy ny andraikitra sahaninâny BNGRC.
23/05/2026
OLONA MANODIDINA NY 23 270 AVY AMIN'NY COMMUNE 6 INDRAY NO NISITRAKA NY VONJE LONGO TAO AMBOVOMBE SY AMBOASARY .
Ambovombe, 22 Mai 2026.
Mitohy hatrany ny fijerena sy fanampiana ireo olona marefo sy ahiana ho tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin'ny Distrikan'Amboasary sy ny Distrikan'Ambovombe ao anatin'ilay tetikasa VONJE LONGO izay entin'ny BNGRC hanampiana ireo vahoaka sahirana ka kaomina 6 no voajery manokana dia ny kaomina Mahaly, Tomboarivo, ary Ranobe ho an'ny Distrikan'Amboasary; Ny kaomina Maroalimainty, Ambazoa ary Ambovombe Ambovombe kosa ho an'ny Distrikan'Ambovombe.
Fianakaviana manodidina 4700 na olona manodidina ny 23270 no nahazo tombony manokana tamin' ity indray mitoraka ity izay samy nahazo ny anjara fanampiany avokoa satria dia naterin'ny ekipan'ny BNGRC antanana avokoa ny anjara fanampian'izy ireo.
Izao no natao dia ho fanohizan'ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny BNGRC ny fiahiana sy ny fandraisana antanana ny mponina mba ahafahan'izy ireo manohy ny asany sy ny fitadiavana izay ataony ho fameloman-tenany.
Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana - Pejy ofisialy
BNGRC
21/05/2026
ð¥ðð©ð¢ðð¢ðð ððððð¡ð : ð ðð§ð¢ðð¬ ð¡ð¬ ððð¡ðð ð£ððð¡ð ðŠð¬ ððð¡ðð¥ðð¡ðð¡ð ð§ðð¢ ð§ð¢ðð ððŠðð¡ð
20 ððð 2026 - ððððð¡ðð£ð
ðªïž Taorianâireo asa fanampiana sy fanarenana efa notanterahinâny BNGRC, izay nandrindra ny fanampiana avy aminâny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombonâantoka ho anâireo sokajinâolona marefo, fikambanana, tobim-pahasalamana ary fiangonana samihafa tao Toamasina, ao anatinâny fiatrehana ny voka-dratsinâny rivodoza GEZANI, dia mbola notohizana hatrany izany ezaka izany taminâny fanolorana ireo fitaovana voaray, toy ny tafo fanitso sy ireo kojakoja fanorenana isan-karazany ho tantanin'ny UCR.
ðïž Ny Unité de Coordination pour de la Reconstruction de la ville de Tamatave (UCR) no handrindra ny fizarana sy ny fampiasana ireo fitaovana ireo, ho fanamafisana ny fahombiazanâny asa fanarenana eny ifotony.
ð€ Etsy ankilany, nomena fitaovana fanohanana aminâny fanatanterahana ny andraikiny ihany koa ireo hery fiarovana sy filaminana, ahitana ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny Tafika Malagasy ary mbola nahazo ny anjarany ihany koa ny Mpandraharahanâny Fonja.
16/05/2026
ð¥ðð©ð¢ðð¢ðð ððððð¡ð : ð ðð§ð¢ðð¬ ð¡ð¬ ððððð¥ðð¡ð ððð¡ðð ð£ððð¡ð ðð¢ ðð¡âðð¥ðð¢ ð¢ðð¢ð¡ð ð ðð¥ððð¢ ðð ðð¡âð¡ð¬ ðððððð¡âð¡ð¬ ððððð ððð¡ðð¡ð ðŠð¬ ðððð¡ðð¢ð¡ðð¡ð
ðªïž Telo volana taorianâny nandalovanâny rivodoza GEZANI dia mbola mitohy hatrany ny asa fanarenana ao Toamasina, aminâny alalanâny fizarana ireo fanampiana avy aminâny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombonâantoka, izay tanterahinâny BNGRC. Anisanâireo misitraka izany fanampiana izany ireo olona marefo sy ireo rafitra manampy ny fiarahamonina, toy ny fikambanana mitaiza olona manana fahasembanana, ny fikambanan'ny Be Antitra, ireo tobim-pahasalamana ary ireo fiangonana mandrafitra ny FFKM.
ð€ Ao anatinâny hetsika fanohanana sy fanampiana notanterahina nandritra ny telo andro, dia nahazo fanampiana ireo fikambanana miisa 11, ireo Fiangonana mandrafitra ny FFKM (Fiangonana Katolika, FJKM, Anglikanina ary FLM), ary ireo toeram-pitsaboana ka ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamananisahana no nisahana ny fandraisana sy ny fizarana ireo entana natolotra. Tafiditra tao anatinâireo fanampiana nozaraina ny sakafo, akanjo, lamba firakotra ary ireo kojakoja ilaina aminâny fiainana andavanandro, niaraka taminâireo fitaovana fanadiovana sy fidiovana.
14/05/2026
BNGRC NANOLOTRA FANITSO 2772 HANAFOANA NY CITÃ UNIVERSITAIRE N'I BARIKADIMY.
Toamasina, 15 mai 2026.
Fanitso Galva manana ny hatevina 0,60 miisa 2772 no natolotry ny BNGRC ho an'ny Oniversiten'i Barikadimy Toamasina ny farany herinandro teo, hanamboarana ny trano fianarana sy ny trano fonenan'ireo Mpianatra ireo izay simba noho ny rivodoza Gezani .
Tsy vitan'izay fa nampiarahina amin'ireo kojakoja ahafahana mametaka azy ireto Fanitso ireto mba tsy hanahirana intsony fa avy hatrany dia mametaka sisa, toy ny silicone, ny teinture anti rouille, corniÚre na rairay izay mitovy isa amin'ny fanitso,teo ihany koa ny faîtiÚre, ny tÎle de rive ary ny fantsika sns.
Vokatry ny fifampresahana teo amin'ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny faritra Atsinanana sy ny Tale Jeneralinâny BNGRC no nanafaingana ny fanomezana an'ireto fanitso ireto taorian'ny Fangatahan'ny Mpianatra.
Fantatra fa ireo Mpianatra ao Barikadimy ireo ihany no handray antanana amin'ny fametahana ireto Fanitso ireto ka 3 herinandro eo ho eo no hanaovan'izy ireo izany.
Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana - Pejy ofisialy
BNGRC
12/05/2026
ððð¡ððððð¥ðð¡'ððŠð ð¥ðð£ððð¥ : ð¡ðð¥ð¢ðŠð¢ðð¡ð ð¡ð¬ ðð§ð¥ððððŠð ððð§ðð¥ ððð§ðð¢ð¡ ð¥ðð©ðððª (ððð¥)
12,13 ððð 2026- ðŒðµðŒð ðŽððððððððððð
ðVokatry ny asa ara-teknika sy ara-pitantanana nandritra ny taom-pahavaratra sy ny rivodoza 2025â2026, dia notanterahina androany ny atrikasa After Action Review (AAR) ny fandaharan'asa Regional Emergency Preparedness and Access to Inclusive Recovery (REPAIR). Nanomboka taminâny volana Desambra 2025 dia efa in-efatra no nampiharina teto Madagasikara ny rafitra famatsiam-bola anâny REPAIR, izay nahitana famatsiam-bola mialoha sy aorianâny fandalovanâny rivodoza FYTIA sy GEZANI, taminâny alalanâny FID sy FNC.
ðIty atrikasa ity dia natao handinihana sy hanaovana tombana ireo asa efa vita mifandraika aminâny tetikasa, mba hanangonana lesona azo tsoahina sy hamantarana ireo lafiny mbola mila fanatsarana. Nohamafisina nandritra izany ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana traikefa eo aminâireo rafitra voakasika, ho fanamafisana ny fahavononana sy ny fahaiza-mamaly manoloana ny loza voajanahary sy ny fiantraikanâny fiovaovanâny toetrâandro.
ð€Ny atrikasa dia notanterahina teo ambany fitarihanâny Minisiteranâny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF), niaraka taminâny BNGRC, FID, SOLIDIS sy ireo mpiara-miombonâantoka ara-teknika sy ara-pitantanana ny tetikasa.
11/05/2026
ðŠðð â ðð¡ðð¥ð â ðð¢ð : ððððð ð£ðððð¥ðð¡ð ð§ð¥ðððððð ð ð¢ð ðð ð¡ð¬ ððð ð£ðððŠðð¡ð ðð¥ð¢ð¡ð ðð ðð¡âð¡ð¬ ððð§ðð¡ð§ðð¡ðð¡ð ð¡ð¬ ðð¢ðð
ð Ao anatinâny ezaka fanatsarana ny fitantanana ny loza aminâny alalanâny fampiasana teknolojia maoderina, no niantohanâny BNGRC ny fanehoana anâi Madagasikara nandritra ny atrikasa isam-paritra mikasika ny fampiasana drÃŽna aminâny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, nokarakarainâny Vaomieranâny Ranomasimbe Indiana (COI) miaraka aminâny fanohananâny Vondrona Eoropeana.
ð€ Firenena efatra toy i Madagasikara, Maurice, Seychelles ary Comores no nandray anjara taminâny fifanakalozana traikefa sy fomba fanao aminâny fampiasana drÃŽna aminâny fanohanana ny asa vonjy taitra sy ny fanombanana haingana ny fahasimbana.
ð°ïž Nandritra ny atrikasa, ny BNGRC dia nizara traikefa mifototra aminâny fiatrehana ny rivodoza Gezani, indrindra ny fampiasana drÃŽna aminâny fanangonana vaovao eny an-kianja sy ny fanohanana ny fandrindrana ny asa vonjy taitra. Nasongadina ihany koa ny fisianâny sous-groupe Drone eto Madagasikara, izay efa miasa ao anatinâny rafitra nasionalin'ny fitantanana ny loza. Nanasa ireo mpiara-miombonâantoka nasionaly toy ny Vondrona Vonjy Taitra ( Corps de la Protection Civile), ny Mpamonjy Voina (Corps des Sapeurs-Pompiers), ary ny Tafika anâhabakabaka ihany koa ny BNGRC, izay samy mandray anjara na mampiasa drÃŽna aminâny asa vonjy taitra, mba hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifampizarana traikefa.
ðºïž Nifarana taminâny famolavolana sori-dalana isam-paritra ny atrikasa, mikendry ny hanatsara ny fampiasana drÃŽna aminâny dingana rehetra aminâny fitantanana ny loza: fiomanana, fiatrehana ary fanarenana, ary hanamafy ny fiaraha-miasa eo aminâireo firenena mpikambana ao aminâny faritra.
08/05/2026
ðð¡ðð¥ð¢ ðð¥ðððŠðð -ð£ðð¥ðð¡ðð¡ð ðð¢ðð¡âð¡ð¬ ðð¥ð¢ðð«-ð¥ð¢ðšðð, ðð¥ð¢ððŠðŠðð¡ð§-ð¥ð¢ðšðð : ð ðð¥ðð¬ ððð¡ð ðð¢ðð¡âð¡ð¬ ð ððð ð¢ðð¢ð¡ð ð¡ð¬ ðð¢ðð-ððð©ðð§ð¥ð ðð ðð¡âðð§ð¬ ð§ðð¢ð¡ð ðð§ð¬
08 ððð 2026, ððððððð ððð
âïžIsanâireo mpisehatra anatinâny fitantanana ny loza sy ny tandidonin-doza ny croix rouge Malagasy izay mankalaza ny andro iraisam-pirenena androany. Fampiratiana taminâny trano eva mombanâireo asa iantsorohona niarahana taminâireo mpisehatra mitovy andraikitra no nifantohanâny fankalazana ka tafiditra tao anatinâizany ny Birao Nasionaly misahana ny loza sy ny tandindonin-doza na ny BNGRC.
ðHiray hina hoanâny maha olona, araka ny loha-hevitra hoanâity taona ity ireo mpisehetra rehetra araka ny laha-teny nifandimbiasana androany ary hanamafy ny fiara-miasa efa nisy hatraminâizay.
07/05/2026
ðððð§ð¥ðððð¡ð ðð¢ðð ð©ð¢ðððð¡ðððð¥ð¬ : ððð¥ðð§ð¥ð ð§ððð¢ ð¡ð¢ ðððŠðð§ð¥ððð ð¡ð¬ ð§ðð§ððâððŠð ðððð¢ ðŠððð¢ ððð¡ðððððððð¡ð ð¡ð¬ ðððð§ð¥ððððð¡ð¬
06 ððð 2026, ððððð¡ðððð¡ðŠ
âïž Paikâady iray nahitam-pahombiazana hatraminâny taona 2015 ny « Action Anticipatoire » na ny asa antsoroka hiatrehana ny loza sy tandindonin-doza. Mbola hifantoka aminâizany ny tetikâasa ECHO SAIO ary hiompana betsaka aminâny tondra-drano sy ny haintany aminâity.
ð Faritra telo no hisitraka ny tetikâasa dia Analamanga, Sava ary Diana. Tanjona ary ezaky ny fitondram-panjakana ny hanapariahana ny tetikâasa tahaka itony ahafahana manalefaka araka izay azo atao ny fiatraikany manoloana ny loza hoy ny tale jeneralinâny BNGRC.
âïž Niara-nikaondoha aminâny hampaombiazana ny tetikâasa ireo rafitra mpisehatra eto Madagasikara, ny BNGRC, ny Météo Madagascar ary ny Vokovoko mena niaraka taminâireo mpiara-miombonantoka tahaka ny PAM (Programme Alimentaire Mondial).
ðªðº Ny vondrona Eropeana no hamatsy vola ity tetikâasa ity ary roa taona ny faharetany.